Yunosy · 26/109
Fandikana Fanononana — Yunosy
۞ لِّلَّذِينَ أَحْسَنُوا الْحُسْنَىٰ وَزِيَادَةٌ ۖ وَلَا يَرْهَقُ وُجُوهَهُمْ قَتَرٌ وَلَا ذِلَّةٌ ۚ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَنَّةِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ ۝٢٦
Lillazeena ahsanul husnaa wa ziyaadahtunw wa laa yarhaqu wujoohahum qatarunw wa laa zillah; ulaaa`ika ashaabul jannnati hum feehaa khaalidoon
📖 Dikany Malagasy
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 24-28 — Yunosy

24إِنَّمَا مَثَلُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا كَمَاءٍ أَنزَلْنَاهُ مِنَ السَّمَاءِ فَاخْتَلَطَ بِهِ نَبَاتُ الْأَرْضِ مِمَّا يَأْكُلُ النَّاسُ وَالْأَنْعَامُ حَتَّىٰ إِذَا أَخَذَتِ الْأَرْضُ زُخْرُفَهَا وَازَّيَّنَتْ وَظَنَّ أَهْلُهَا أَنَّهُمْ قَادِرُونَ عَلَيْهَا أَتَاهَا أَمْرُنَا لَيْلًا أَوْ نَهَارًا فَجَعَلْنَاهَا حَصِيدًا كَأَن لَّمْ تَغْنَ بِالْأَمْسِ ۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ
Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay.
25وَاللَّهُ يَدْعُو إِلَىٰ دَارِ السَّلَامِ وَيَهْدِي مَن يَشَاءُ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Ary i Allah dia miantso mankany amin’ny fonenana feno fiadanana ary mitari-dàlana izay sitrany ho amin’ny làla-mahitsy.
26۞ لِّلَّذِينَ أَحْسَنُوا الْحُسْنَىٰ وَزِيَادَةٌ ۖ وَلَا يَرْهَقُ وُجُوهَهُمْ قَتَرٌ وَلَا ذِلَّةٌ ۚ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَنَّةِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
27وَالَّذِينَ كَسَبُوا السَّيِّئَاتِ جَزَاءُ سَيِّئَةٍ بِمِثْلِهَا وَتَرْهَقُهُمْ ذِلَّةٌ ۖ مَّا لَهُم مِّنَ اللَّهِ مِنْ عَاصِمٍ ۖ كَأَنَّمَا أُغْشِيَتْ وُجُوهُهُمْ قِطَعًا مِّنَ اللَّيْلِ مُظْلِمًا ۚ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Ary ireo izay nanao asa ratsy kosa dia ho azy ireo ny valiny mitovy amin’izany. Ary handrakotra azy ireo ny fahafam-baraka. Tsy manana mpiaro izy ireo hiatrika i Allah toy ny voarakotry ny sombin’ny haizin’ny alina ny tarehin’izy ireo. Izy ireny no Olon’ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
28وَيَوْمَ نَحْشُرُهُمْ جَمِيعًا ثُمَّ نَقُولُ لِلَّذِينَ أَشْرَكُوا مَكَانَكُمْ أَنتُمْ وَشُرَكَاؤُكُمْ ۚ فَزَيَّلْنَا بَيْنَهُمْ ۖ وَقَالَ شُرَكَاؤُهُم مَّا كُنتُمْ إِيَّانَا تَعْبُدُونَ
Ary amin’ny Andro hanangonanay azy rehetra, avy eo dia hiteny Izahay amin’ireo izay nanakambana Allah amin’ny hafa hoe : " Raiso ny toeranareo, Ianareo sy ireo mpiombon’antoka taminareo.” Hampisarahanay izy ireo ary hiteny ireo mpiombon’antoka amin’izy ireo hanao hoe : " Tsy Izahay velively no notompoinareo.”
YunosyFizahan-takila Koraña
109Andininy
MeccanRevelation
26Andininy

Fandikana — Yunosy 26

Surah Yunosy Andininy 26 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny…

Surah Andininy 26/109 — Yunosy يونس (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Yunosy Henoy, Yunosy Fandikana, Yunosy mp3, Yunosy pdf. Andininy 24–28. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers