An-Nahl · 72/128
Fandikana Fanononana — An-Nahl
وَاللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنْ أَزْوَاجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةً وَرَزَقَكُم مِّنَ الطَّيِّبَاتِ ۚ أَفَبِالْبَاطِلِ يُؤْمِنُونَ وَبِنِعْمَتِ اللَّهِ هُمْ يَكْفُرُونَ ۝٧٢
Wallaahu ja`ala lakum min anfusikum azwaajanw wa ja`ala lakum min azwaajikum baneena wa hafadatanw wa razaqakum minat yaiyibaat; afabil baatili yu`minoona wa bini`matil laahi hum yakkfuroon
📖 Dikany Malagasy
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
🎧 Henoy

📜 Andininy 70-74 — An-Nahl

70وَاللَّهُ خَلَقَكُمْ ثُمَّ يَتَوَفَّاكُمْ ۚ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰ أَرْذَلِ الْعُمُرِ لِكَيْ لَا يَعْلَمَ بَعْدَ عِلْمٍ شَيْئًا ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ قَدِيرٌ
Ary i Allah no nahary Anareo ! Ary Izy ihany koa no mandray ny fofon’ainareo, ka misy Aminareo no miaina tratran'ny fahanterana, hany ka tsy mahalala na inona na inona intsony, taorian’ny nananany fahalalana. Marina fa i Allah mahalalana sy manam-pahefana tokoa amin’ny zava-drehetra.
71وَاللَّهُ فَضَّلَ بَعْضَكُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ فِي الرِّزْقِ ۚ فَمَا الَّذِينَ فُضِّلُوا بِرَادِّي رِزْقِهِمْ عَلَىٰ مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُهُمْ فَهُمْ فِيهِ سَوَاءٌ ۚ أَفَبِنِعْمَةِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ
Ary i Allah dia nanome tombontsoa mihoatra ny hafa, ny sasany Taminareo eo amin’ny (fizarana) fahasoavany. Fa ireo izay nahazo tombontsoa feno, dia tsy voatery hanome ny anjarany indray ho an’ireo andevony ka hitovy Aminy. Handà ny fahasoavan’i Allah ve izy ireo ?
72وَاللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنْ أَزْوَاجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةً وَرَزَقَكُم مِّنَ الطَّيِّبَاتِ ۚ أَفَبِالْبَاطِلِ يُؤْمِنُونَ وَبِنِعْمَتِ اللَّهِ هُمْ يَكْفُرُونَ
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
73وَيَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَمْلِكُ لَهُمْ رِزْقًا مِّنَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ شَيْئًا وَلَا يَسْتَطِيعُونَ
Ary manompo ankoatr’i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanome azy ireo anjara fivelomana akory avy amin’ireo lanitra sy ny tany, no sady tsy afaka manao na inona na inona.
74فَلَا تَضْرِبُوا لِلَّهِ الْأَمْثَالَ ۚ إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ
Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
72Andininy

Fandikana — An-Nahl 72

Surah An-Nahl Andininy 72 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny…

Surah Andininy 72/128 — An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nahl Henoy, An-Nahl Fandikana, An-Nahl mp3, An-Nahl pdf. Andininy 70–74. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers