Al-Baqarah · 33/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
قَالَ يَا آدَمُ أَنبِئْهُم بِأَسْمَائِهِمْ ۖ فَلَمَّا أَنبَأَهُم بِأَسْمَائِهِمْ قَالَ أَلَمْ أَقُل لَّكُمْ إِنِّي أَعْلَمُ غَيْبَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَأَعْلَمُ مَا تُبْدُونَ وَمَا كُنتُمْ تَكْتُمُونَ ۝٣٣
Qaala yaaa Aadamu ambi` hum biasmaaa`ihimfalammaaa amba ahum bi asmaaa`ihim qaala alam aqul lakum inneee a`lamu ghaibas samaawaati wal ardi wa a`lamu maa tubdoona wa maa kuntum taktumoon
📖 Dikany Malagasy
Dia hoy Izy : “Ry Adama! Ampahafantaro azy ireo ny anaran’izy ireo ; ka nony nampahafantarin’i Adama ireo anjely ny anaran’izy ireo, dia hoy Izy (Allah) nilaza : “Tsy efa nambarako taminareo ve, fa Izaho no mahalala ny zavamiafin’ny lanitra sy ny tany, ary mahalala ihany koa izay rehetra ahariharinareo sy izay rehetra afeninareo?”

🎧 Henoy


📜 Andininy 31-35 — Surah Al-Baqarah

31وَعَلَّمَ آدَمَ الْأَسْمَاءَ كُلَّهَا ثُمَّ عَرَضَهُمْ عَلَى الْمَلَائِكَةِ فَقَالَ أَنبِئُونِي بِأَسْمَاءِ هَٰؤُلَاءِ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Nampianariny an’i Adama avokoa ireo anarana rehetra, avy eo dia nasehony ny Anjely izy ireo, ka hoy Izy nanao hoe : “Ambarao Ahy ny anaran’izy ireo, raha toa ka marina izay voalazanareo!”
32قَالُوا سُبْحَانَكَ لَا عِلْمَ لَنَا إِلَّا مَا عَلَّمْتَنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ
Dia niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : ” Voninahitra anie ho Anao, tena tsy manam-pahalalàna mihitsy izahay afa-tsy izay efa nampianarinao anay ihany no fantatranay; ary Ianao tokoa no ilay Be fahalalana, sy ilay Be fahendrena.
33قَالَ يَا آدَمُ أَنبِئْهُم بِأَسْمَائِهِمْ ۖ فَلَمَّا أَنبَأَهُم بِأَسْمَائِهِمْ قَالَ أَلَمْ أَقُل لَّكُمْ إِنِّي أَعْلَمُ غَيْبَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَأَعْلَمُ مَا تُبْدُونَ وَمَا كُنتُمْ تَكْتُمُونَ
Dia hoy Izy : “Ry Adama! Ampahafantaro azy ireo ny anaran’izy ireo ; ka nony nampahafantarin’i Adama ireo anjely ny anaran’izy ireo, dia hoy Izy (Allah) nilaza : “Tsy efa nambarako taminareo ve, fa Izaho no mahalala ny zavamiafin’ny lanitra sy ny tany, ary mahalala ihany koa izay rehetra ahariharinareo sy izay rehetra afeninareo?”
34وَإِذْ قُلْنَا لِلْمَلَائِكَةِ اسْجُدُوا لِآدَمَ فَسَجَدُوا إِلَّا إِبْلِيسَ أَبَىٰ وَاسْتَكْبَرَ وَكَانَ مِنَ الْكَافِرِينَ
Ary raha nolazainay tamin’ireo Anjely : “Miankohofa avokoa ianareo eo amin’i Adama”, dia niankohoka avy hatrany izy rehetra afa-tsy iblis (satana) izay nandà, no sady nanambony tena ary voasokajy ho isan(reo tsy mpino.
35وَقُلْنَا يَا آدَمُ اسْكُنْ أَنتَ وَزَوْجُكَ الْجَنَّةَ وَكُلَا مِنْهَا رَغَدًا حَيْثُ شِئْتُمَا وَلَا تَقْرَبَا هَٰذِهِ الشَّجَرَةَ فَتَكُونَا مِنَ الظَّالِمِينَ
Ary dia nolazainay : “Ry Adama! Mitoera ao amin’ny Paradisa ianao sy ny vadinao, ary mihinàna amim-piadanana araka ny sitraponareo izay rehetra ao aminy; kanefa aza manakaiky kosa ity hazo iray ity ianareo roa, fa raha tsy izany, dia ho lasa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianareo”.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
33Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 33

Surah Al-Baqarah Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Dia hoy Izy : “Ry Adama! Ampahafantaro azy ireo ny…

Surah Andininy 33/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers