Al-Qasas · 40/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
فَأَخَذْنَاهُ وَجُنُودَهُ فَنَبَذْنَاهُمْ فِي الْيَمِّ ۖ فَانظُرْ كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الظَّالِمِينَ ۝٤٠
Fa akhaznaahu wa junoo dahoo fanabaznaahum fil yammi fanzur kaifa kaana `aaqibatuz zaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty ranomasina. Jereo àry ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 38-42 — Al-Qasas

38وَقَالَ فِرْعَوْنُ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ مَا عَلِمْتُ لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرِي فَأَوْقِدْ لِي يَا هَامَانُ عَلَى الطِّينِ فَاجْعَل لِّي صَرْحًا لَّعَلِّي أَطَّلِعُ إِلَىٰ إِلَٰهِ مُوسَىٰ وَإِنِّي لَأَظُنُّهُ مِنَ الْكَاذِبِينَ
Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”.
39وَاسْتَكْبَرَ هُوَ وَجُنُودُهُ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَظَنُّوا أَنَّهُمْ إِلَيْنَا لَا يُرْجَعُونَ
Ary nanambony tena izy sy ny miaramilany teto ambonin’ny tany, tsy amim-pahamarinana. Ary nihevitra tokoa izy ireo fa tsy haverina aty Aminay.
40فَأَخَذْنَاهُ وَجُنُودَهُ فَنَبَذْنَاهُمْ فِي الْيَمِّ ۖ فَانظُرْ كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الظَّالِمِينَ
Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty ranomasina. Jereo àry ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny.
41وَجَعَلْنَاهُمْ أَئِمَّةً يَدْعُونَ إِلَى النَّارِ ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ لَا يُنصَرُونَ
Ary nataonay ho mpitarika miantso mankany amin’ny Afobe izy ireo. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty) dia tsy avotana izy ireo.
42وَأَتْبَعْنَاهُمْ فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا لَعْنَةً ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ هُم مِّنَ الْمَقْبُوحِينَ
Ary nampanarahanay azy ireo, ny ozona eto an-tany. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty), izy ireo dia ho anisan’ny ratsy indrindra.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
40Andininy

Fandikana — Al-Qasas 40

Surah Al-Qasas Andininy 40 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty…

Surah Andininy 40/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 38–42. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers