Iloaran'i Imrana · 157/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
وَلَئِن قُتِلْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ أَوْ مُتُّمْ لَمَغْفِرَةٌ مِّنَ اللَّهِ وَرَحْمَةٌ خَيْرٌ مِّمَّا يَجْمَعُونَ ۝١٥٧
Wa la`in qutiltum fee sabeelil laahi aw muttum lamaghfiratum minal laahi wa rahmatun khairum mimmaa yajma`oon
📖 Dikany Malagasy
Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 155-159 — Iloaran'i Imrana

155إِنَّ الَّذِينَ تَوَلَّوْا مِنكُمْ يَوْمَ الْتَقَى الْجَمْعَانِ إِنَّمَا اسْتَزَلَّهُمُ الشَّيْطَانُ بِبَعْضِ مَا كَسَبُوا ۖ وَلَقَدْ عَفَا اللَّهُ عَنْهُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ حَلِيمٌ
Tena marina, fa ireo izay niamboho (nitsoaka) Taminareo tamin’ny Andro niatrehan’ny andiany ankiroa ny ady, dia ny satana tokoa no nandrebireby azy ireo tamin’ny sasantsasany (fahadisoana) vitan’izy ireo. Efa nandeferan’i Allah tokoa izy ireo. Marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy tsara fanahy.
156يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَكُونُوا كَالَّذِينَ كَفَرُوا وَقَالُوا لِإِخْوَانِهِمْ إِذَا ضَرَبُوا فِي الْأَرْضِ أَوْ كَانُوا غُزًّى لَّوْ كَانُوا عِندَنَا مَا مَاتُوا وَمَا قُتِلُوا لِيَجْعَلَ اللَّهُ ذَٰلِكَ حَسْرَةً فِي قُلُوبِهِمْ ۗ وَاللَّهُ يُحْيِي وَيُمِيتُ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ô Ianareo izay nino, aza manao toy ireo tsy mino Ianareo, ka niteny izy ireo momba ireo rahalahin'izy ireo izay nandeha lavitra na am-piadiana ka nanao hoe : “ Raha teo Aminay izy ireo, dia tsy maty na novonoina ”. Ka nataon’i Allah, ho fanenenana ao am’pon’izy ireo izany. Fa i Allah no Mamelona sy Mamono. Ary i Allah dia tena mahita izay Ataonareo rehetra.
157وَلَئِن قُتِلْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ أَوْ مُتُّمْ لَمَغْفِرَةٌ مِّنَ اللَّهِ وَرَحْمَةٌ خَيْرٌ مِّمَّا يَجْمَعُونَ
Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo.
158وَلَئِن مُّتُّمْ أَوْ قُتِلْتُمْ لَإِلَى اللَّهِ تُحْشَرُونَ
Ary raha maty na novonoina Ianareo dia tsy maintsy any amin’i Allah no hamoriana Anareo.
159فَبِمَا رَحْمَةٍ مِّنَ اللَّهِ لِنتَ لَهُمْ ۖ وَلَوْ كُنتَ فَظًّا غَلِيظَ الْقَلْبِ لَانفَضُّوا مِنْ حَوْلِكَ ۖ فَاعْفُ عَنْهُمْ وَاسْتَغْفِرْ لَهُمْ وَشَاوِرْهُمْ فِي الْأَمْرِ ۖ فَإِذَا عَزَمْتَ فَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُتَوَكِّلِينَ
Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
157Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 157

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 157 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny,…

Surah Andininy 157/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 155–159. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers