Iloaran'i Imrana · 162/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
أَفَمَنِ اتَّبَعَ رِضْوَانَ اللَّهِ كَمَن بَاءَ بِسَخَطٍ مِّنَ اللَّهِ وَمَأْوَاهُ جَهَنَّمُ ۚ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ ۝١٦٢
Afamanit taba`a Ridwaanal laahi kamam baaa`a bisakhatim minal laahi wa maawaahu Jahannam; wa bi`sal maseer
📖 Dikany Malagasy
Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay hiharan’ny fahatezeran’i Allah ? Ny fialofany dia ny Afobe. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !
🎧 Henoy

📜 Andininy 160-164 — Iloaran'i Imrana

160إِن يَنصُرْكُمُ اللَّهُ فَلَا غَالِبَ لَكُمْ ۖ وَإِن يَخْذُلْكُمْ فَمَن ذَا الَّذِي يَنصُرُكُم مِّن بَعْدِهِ ۗ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ
Raha manampy Anareo i Allah dia tsy hisy handresy Anareo mihitsy, fa raha mandao Anareo kosa Izy (Allah), dia iza indray no hanampy Anareo aoriany ? Ary aoka amin’i Allah no iankinan’ny mpino rehetra.
161وَمَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَغُلَّ ۚ وَمَن يَغْلُلْ يَأْتِ بِمَا غَلَّ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ ثُمَّ تُوَفَّىٰ كُلُّ نَفْسٍ مَّا كَسَبَتْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Tsy ny Mpaminany (s.w.a) mihitsy no mibodo ny zavatra azo babo. N'iza n'iza mibodo ny zavatra azo babo, dia mitondra miaraka Aminy izay nobodoiny amin’ny Andro fitsanganana amin’ny maty Izy. Avy eo dia omena tanteraka ny tsirairay ny valin’asany, ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
162أَفَمَنِ اتَّبَعَ رِضْوَانَ اللَّهِ كَمَن بَاءَ بِسَخَطٍ مِّنَ اللَّهِ وَمَأْوَاهُ جَهَنَّمُ ۚ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ
Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay hiharan’ny fahatezeran’i Allah ? Ny fialofany dia ny Afobe. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !
163هُمْ دَرَجَاتٌ عِندَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِمَا يَعْمَلُونَ
Izy ireo dia samy amin’ny ambaratongan-daharany eo anatrehan’i Allah. ary i Allah dia tena mahita izay rehetra ataon’izy ireo.
164لَقَدْ مَنَّ اللَّهُ عَلَى الْمُؤْمِنِينَ إِذْ بَعَثَ فِيهِمْ رَسُولًا مِّنْ أَنفُسِهِمْ يَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِهِ وَيُزَكِّيهِمْ وَيُعَلِّمُهُمُ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَإِن كَانُوا مِن قَبْلُ لَفِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ
Efa nomen’i Allah tombontsoa ireo mpino, raha nandefa tamin’izy ireo an'ilay Iraka avy amin’izy ireo ihany Izy, izay hamaky ireo fanambarany amin’izy ireo, sy hanadio ny fanahin’izy ireo, ary hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena, raha tao anatin’ny fahaverezana miharihary izy ireo teo aloha.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
162Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 162

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 162 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay…

Surah Andininy 162/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 160–164. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers