Iloaran'i Imrana · 181/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
لَّقَدْ سَمِعَ اللَّهُ قَوْلَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ فَقِيرٌ وَنَحْنُ أَغْنِيَاءُ ۘ سَنَكْتُبُ مَا قَالُوا وَقَتْلَهُمُ الْأَنبِيَاءَ بِغَيْرِ حَقٍّ وَنَقُولُ ذُوقُوا عَذَابَ الْحَرِيقِ ۝١٨١
Laqad sami`al laahu qawlal lazeena qaalooo innal laaha faqeerunw wa nahnu aghniyaaa`; sanaktubu maa qaaloo wa qatlahumul Ambiyaa`a bighairi haqqinw wa naqoolu zooqoo `azaaba Ihreeq
📖 Dikany Malagasy
Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mahantra, ary Izahay no manan-karena ”. Nosoratanay izay notenenin’izy ireo, sy ny famonoan’izy ireo, ireo Mpaminany tsy amin’ny rariny. Ary hoteneninay amin’izy ireo ny hoe : “ Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mandoro ”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 179-183 — Iloaran'i Imrana

179مَّا كَانَ اللَّهُ لِيَذَرَ الْمُؤْمِنِينَ عَلَىٰ مَا أَنتُمْ عَلَيْهِ حَتَّىٰ يَمِيزَ الْخَبِيثَ مِنَ الطَّيِّبِ ۗ وَمَا كَانَ اللَّهُ لِيُطْلِعَكُمْ عَلَى الْغَيْبِ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يَجْتَبِي مِن رُّسُلِهِ مَن يَشَاءُ ۖ فَآمِنُوا بِاللَّهِ وَرُسُلِهِ ۚ وَإِن تُؤْمِنُوا وَتَتَّقُوا فَلَكُمْ أَجْرٌ عَظِيمٌ
Allah dia tsy hamela ireo mpino, eo amin’ny toerana misy Anareo amin’izao, mandra-panavahany ny ratsy amin’ny tsara. Ary i Allah dia tsy hampiseho Aminareo izay miafina. Ka nefa i Allah dia mitady amin’ireo Irany izay sitrany. Minoa àry an’i Allah sy ireo Irany Ianareo. Fa raha mino Ianareo sy manam-patahorana, dia ho Anareo ny valisoa lehibe.
180وَلَا يَحْسَبَنَّ الَّذِينَ يَبْخَلُونَ بِمَا آتَاهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ هُوَ خَيْرًا لَّهُم ۖ بَلْ هُوَ شَرٌّ لَّهُمْ ۖ سَيُطَوَّقُونَ مَا بَخِلُوا بِهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ وَلِلَّهِ مِيرَاثُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Ary aza mieritreritra ireo izay mahihitra amin’izay nomen’i Allah azy ireo tamin’ny fahasoavany fa hoe tsara ho azy ireo izany. Tsia ! Ratsy ho azy ireo izany satria ho fatorana amin’ny tendany [59] izy ireo amin’izay notazoniny nohon'ny fahihirany, amin'ny andron’ny fitsanganana. Ary an’i Allah ny fandovana ireo lanitra sy ny tany. Ary i Allah no tena mahafantatra izay ataonareo.
181لَّقَدْ سَمِعَ اللَّهُ قَوْلَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ فَقِيرٌ وَنَحْنُ أَغْنِيَاءُ ۘ سَنَكْتُبُ مَا قَالُوا وَقَتْلَهُمُ الْأَنبِيَاءَ بِغَيْرِ حَقٍّ وَنَقُولُ ذُوقُوا عَذَابَ الْحَرِيقِ
Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mahantra, ary Izahay no manan-karena ”. Nosoratanay izay notenenin’izy ireo, sy ny famonoan’izy ireo, ireo Mpaminany tsy amin’ny rariny. Ary hoteneninay amin’izy ireo ny hoe : “ Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mandoro ”.
182ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيكُمْ وَأَنَّ اللَّهَ لَيْسَ بِظَلَّامٍ لِّلْعَبِيدِ
Izany, dia noho izay nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy manambaka ireo mpanompony.
183الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ عَهِدَ إِلَيْنَا أَلَّا نُؤْمِنَ لِرَسُولٍ حَتَّىٰ يَأْتِيَنَا بِقُرْبَانٍ تَأْكُلُهُ النَّارُ ۗ قُلْ قَدْ جَاءَكُمْ رُسُلٌ مِّن قَبْلِي بِالْبَيِّنَاتِ وَبِالَّذِي قُلْتُمْ فَلِمَ قَتَلْتُمُوهُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Ireo izay niteny ka nanao hoe : “ Tena marina fa i Allah dia nanafatrafatra Anay mba tsy hino Iraka (Mpaminany), raha tsy mitondra fanatitra ho Anay izay hohanin’ny afo ”. Teneno ny hoe : “ Efa nisy Iraka maro tonga teo Aminareo talohako, niaraka tamin’ny porofo mazava sy tamin’ireo izay nolazainareo, ka nahoana no vonoinareo izy ireo, raha tena marina Ianareo ”.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
181Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 181

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 181 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “…

Surah Andininy 181/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 179–183. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers