Iloaran'i Imrana · 24/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَن تَمَسَّنَا النَّارُ إِلَّا أَيَّامًا مَّعْدُودَاتٍ ۖ وَغَرَّهُمْ فِي دِينِهِم مَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ ۝٢٤
Zaalika bi annahum qaaloo lan tamassanan naaru illaaa ayyaamam ma`doodaatinw wa gharrahum fee deenihim maa kaanoo yaftaroon
📖 Dikany Malagasy
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 22-26 — Iloaran'i Imrana

22أُولَٰئِكَ الَّذِينَ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ
Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo.
23أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ أُوتُوا نَصِيبًا مِّنَ الْكِتَابِ يُدْعَوْنَ إِلَىٰ كِتَابِ اللَّهِ لِيَحْكُمَ بَيْنَهُمْ ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٌ مِّنْهُمْ وَهُم مُّعْرِضُونَ
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky [41] ? Antsoina izy ireo mankany amin’ny Bokin’i Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina.
24ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَن تَمَسَّنَا النَّارُ إِلَّا أَيَّامًا مَّعْدُودَاتٍ ۖ وَغَرَّهُمْ فِي دِينِهِم مَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
25فَكَيْفَ إِذَا جَمَعْنَاهُمْ لِيَوْمٍ لَّا رَيْبَ فِيهِ وَوُفِّيَتْ كُلُّ نَفْسٍ مَّا كَسَبَتْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Ary ahoana rehefa havorinay izy ireo ho amin’ny Andro izay tsy hisalasalana ny Aminy, ary omena ny tsirairay tanteraka ny vokatry ny asa nataon'izy ireo ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
26قُلِ اللَّهُمَّ مَالِكَ الْمُلْكِ تُؤْتِي الْمُلْكَ مَن تَشَاءُ وَتَنزِعُ الْمُلْكَ مِمَّن تَشَاءُ وَتُعِزُّ مَن تَشَاءُ وَتُذِلُّ مَن تَشَاءُ ۖ بِيَدِكَ الْخَيْرُ ۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
24Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 24

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively…

Surah Andininy 24/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers