Al-Maidah · 21/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
يَا قَوْمِ ادْخُلُوا الْأَرْضَ الْمُقَدَّسَةَ الَّتِي كَتَبَ اللَّهُ لَكُمْ وَلَا تَرْتَدُّوا عَلَىٰ أَدْبَارِكُمْ فَتَنقَلِبُوا خَاسِرِينَ ۝٢١
Yaa qawmid khulul Ardal MMuqaddasatal latee katabal laahu lakum wa laa tartaddoo `alaaa adbaarikum fatanqaliboo khaasireen
📖 Dikany Malagasy
O Ianareo vahoakako! Midira amin’ilay tany masina, izay efa nosoratan’I Allah ho anareo ianareo,ary aza miverin-dalana manome lamosina ianareo, ka hivadika fa ho maty antoka ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 19-23 — Al-Maidah

19يَا أَهْلَ الْكِتَابِ قَدْ جَاءَكُمْ رَسُولُنَا يُبَيِّنُ لَكُمْ عَلَىٰ فَتْرَةٍ مِّنَ الرُّسُلِ أَن تَقُولُوا مَا جَاءَنَا مِن بَشِيرٍ وَلَا نَذِيرٍ ۖ فَقَدْ جَاءَكُم بَشِيرٌ وَنَذِيرٌ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
O Ianareo olon’ny Boky! Efa tonga aminareo izao ny Irakay, manazava aminareo, taorian’ny nitsaharan’ireo Iraka, mba tsy hilazanareo hoe: “Tsy nisy tonga taminay, na ny mpilaza vaovao mahafaly, na ny mpampitandrina”. Koa efa tonga aminareo izao ny mpilaza vaovao mahafaly sy ny mpampitandrina (mpananatra). Ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
20وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ يَا قَوْمِ اذْكُرُوا نِعْمَةَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ إِذْ جَعَلَ فِيكُمْ أَنبِيَاءَ وَجَعَلَكُم مُّلُوكًا وَآتَاكُم مَّا لَمْ يُؤْتِ أَحَدًا مِّنَ الْعَالَمِينَ
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny vahoakany hoe: “Ry vahoakako! Tsarovinareo ny fahasoavan’I Allah aminareo, rehefa nanendry teo aminareo, Mpaminany maro, ary nanandratra anareo ho mpanjaka Izy. Ary nanome anareo izay mbola tsy nomeny na iza na iza tamin’izao tontolo izao Izy.
21يَا قَوْمِ ادْخُلُوا الْأَرْضَ الْمُقَدَّسَةَ الَّتِي كَتَبَ اللَّهُ لَكُمْ وَلَا تَرْتَدُّوا عَلَىٰ أَدْبَارِكُمْ فَتَنقَلِبُوا خَاسِرِينَ
O Ianareo vahoakako! Midira amin’ilay tany masina, izay efa nosoratan’I Allah ho anareo ianareo,ary aza miverin-dalana manome lamosina ianareo, ka hivadika fa ho maty antoka ianareo.
22قَالُوا يَا مُوسَىٰ إِنَّ فِيهَا قَوْمًا جَبَّارِينَ وَإِنَّا لَن نَّدْخُلَهَا حَتَّىٰ يَخْرُجُوا مِنْهَا فَإِن يَخْرُجُوا مِنْهَا فَإِنَّا دَاخِلُونَ
Niteny izy ireo hoe: “O ry Mosesy! Tena misy vahoaka matanjaka be monina ao. Ka izahay dia tsy hiditra ao velively mandra-pivoahan’izy ireo ao. Raha mivoaka avy ao kosa izy ireo, tonga dia hiditra ao tokoa izahay.
23قَالَ رَجُلَانِ مِنَ الَّذِينَ يَخَافُونَ أَنْعَمَ اللَّهُ عَلَيْهِمَا ادْخُلُوا عَلَيْهِمُ الْبَابَ فَإِذَا دَخَلْتُمُوهُ فَإِنَّكُمْ غَالِبُونَ ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَتَوَكَّلُوا إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Niteny ny lehilahy roa tamin’ireo izay matahotra an’i Allah, izay nosoavin’i Allah, hoe: “Midira ao amin’izy ireo ianareo avy amin’ny varavarana, fa rehefa tafiditra ao ianareo dia tsy maintsy ho mpandresy ianareo. Ary amin'I Allah no tokony hanankinanareo ny fahatokisanareo, raha tena mpino tokoa ianareo”.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
21Andininy

Fandikana — Al-Maidah 21

Surah Al-Maidah Andininy 21 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : O Ianareo vahoakako! Midira amin’ilay tany masina, izay efa nosoratan’I…

Surah Andininy 21/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 19–23. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers