Al-Maidah · 70/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
لَقَدْ أَخَذْنَا مِيثَاقَ بَنِي إِسْرَائِيلَ وَأَرْسَلْنَا إِلَيْهِمْ رُسُلًا ۖ كُلَّمَا جَاءَهُمْ رَسُولٌ بِمَا لَا تَهْوَىٰ أَنفُسُهُمْ فَرِيقًا كَذَّبُوا وَفَرِيقًا يَقْتُلُونَ ۝٧٠
Laqad akhaznaa meesaaqa Banee Israaa`eela wa arsalnaaa ilaihim Rusulan kullamaa jaaa`ahum Rasoolum bimaa laa tahwaaa anfusuhum fareeqan kazzaboo wa fareeqany yaqtuloon
📖 Dikany Malagasy
Efa noraisinay ny faneken’ny zanak’Israely ary nandefa iraka maro tamin’izy ireo Izahay. Kanefa isaky ny misy Iraka tonga amin’izy ireo mitondra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony dia noraisiny ho mpandainga ny sasany ary ny sasany hafa dia novonoin’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 68-72 — Al-Maidah

68قُلْ يَا أَهْلَ الْكِتَابِ لَسْتُمْ عَلَىٰ شَيْءٍ حَتَّىٰ تُقِيمُوا التَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ وَمَا أُنزِلَ إِلَيْكُم مِّن رَّبِّكُمْ ۗ وَلَيَزِيدَنَّ كَثِيرًا مِّنْهُم مَّا أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ طُغْيَانًا وَكُفْرًا ۖ فَلَا تَأْسَ عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Teneno hoe: “O ry olon’ny boky! Tsy inona na inona ianareo raha tsy mampihatra ny Taoraty sy ny Evanjily sy izay nampidinina taminareo avy tamin’ny Tomponareo”. Ary tena nampitombo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana tamin’ny maro amin’izy ireo izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao. Ka aza atao mampahory anao ny amin’ireo vahoaka tsy mpino.
69إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَالَّذِينَ هَادُوا وَالصَّابِئُونَ وَالنَّصَارَىٰ مَنْ آمَنَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَعَمِلَ صَالِحًا فَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Hamafisina, fa ireo izay mino sy ireo izay nanaraka ny jodaisma sy sabeanina ary kristianina, izay nino an'I Allah sy ny Andro farany ary nanao ny asa soa, dia tsy hanana tahotra no tsy halahelo izy ireo.
70لَقَدْ أَخَذْنَا مِيثَاقَ بَنِي إِسْرَائِيلَ وَأَرْسَلْنَا إِلَيْهِمْ رُسُلًا ۖ كُلَّمَا جَاءَهُمْ رَسُولٌ بِمَا لَا تَهْوَىٰ أَنفُسُهُمْ فَرِيقًا كَذَّبُوا وَفَرِيقًا يَقْتُلُونَ
Efa noraisinay ny faneken’ny zanak’Israely ary nandefa iraka maro tamin’izy ireo Izahay. Kanefa isaky ny misy Iraka tonga amin’izy ireo mitondra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony dia noraisiny ho mpandainga ny sasany ary ny sasany hafa dia novonoin’izy ireo.
71وَحَسِبُوا أَلَّا تَكُونَ فِتْنَةٌ فَعَمُوا وَصَمُّوا ثُمَّ تَابَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ ثُمَّ عَمُوا وَصَمُّوا كَثِيرٌ مِّنْهُمْ ۚ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِمَا يَعْمَلُونَ
Ary eritreretin’izy ireo fa tsy hisy ny famaizana ka lasa jamba sy marenina izy ireo. Avy eo dia noraisin’I Allah ny fibebahan’izy ireo. Avy eo dia lasa jamba sy marenina indray ny ankamaroan’izy ireo. Ary I Allah dia mahita tokoa izay ataon’izy ireo.
72لَقَدْ كَفَرَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ هُوَ الْمَسِيحُ ابْنُ مَرْيَمَ ۖ وَقَالَ الْمَسِيحُ يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ اعْبُدُوا اللَّهَ رَبِّي وَرَبَّكُمْ ۖ إِنَّهُ مَن يُشْرِكْ بِاللَّهِ فَقَدْ حَرَّمَ اللَّهُ عَلَيْهِ الْجَنَّةَ وَمَأْوَاهُ النَّارُ ۖ وَمَا لِلظَّالِمِينَ مِنْ أَنصَارٍ
Efa tena tsy mpino tokoa ireo izay niteny hoe: “Tena marina fa Allah dia i Jesoa zanak’i Maria”.Kanefa niteny i Mesia (Jesoa) hoe: “O ry zanak’Israely! Aoka hanompo an’I Allah, Tompoko sy Tomponareo ianareo”. Tena marina fa n’iza n’iza mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa dia efa noraran’I Allah aminy ny Paradisa ary ny Afobe no ho fonenany. Ary tsy hanana mpanavotra mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
70Andininy

Fandikana — Al-Maidah 70

Surah Al-Maidah Andininy 70 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Efa noraisinay ny faneken’ny zanak’Israely ary nandefa iraka maro tamin’izy…

Surah Andininy 70/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 68–72. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers