Al-An'am · 35/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
وَإِن كَانَ كَبُرَ عَلَيْكَ إِعْرَاضُهُمْ فَإِنِ اسْتَطَعْتَ أَن تَبْتَغِيَ نَفَقًا فِي الْأَرْضِ أَوْ سُلَّمًا فِي السَّمَاءِ فَتَأْتِيَهُم بِآيَةٍ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَجَمَعَهُمْ عَلَى الْهُدَىٰ ۚ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْجَاهِلِينَ ۝٣٥
Wa in kaana kabura `alaika i`raaduhum fa inistata`ta an tabtaghiya nafaqan fil ardi aw sullaman fis samaaa`i fataa tiyahum bi Aayah; wa law shaaa`al laahu lajama`ahum `alal hudaa; falaa takoonanna minal jaahileen
📖 Dikany Malagasy
Na dia mafy taminao aza ny fitsipahan’izy ireo, koa raha afaka hitady lalana any ambanin’ny tany ianao, na tohatra hiakarana any an-danitra mba hitondranao amin’izy ireo ny fahagagana, (dia ataovy àry izany). Raha sitrak’I Allah dia navoriny tamin’ny lala-mahitsy izy ireo, aoka ianao tsy ho anisan’ireo olona bado !

🎧 Henoy


📜 Andininy 33-37 — Surah Al-An'am

33قَدْ نَعْلَمُ إِنَّهُ لَيَحْزُنُكَ الَّذِي يَقُولُونَ ۖ فَإِنَّهُمْ لَا يُكَذِّبُونَكَ وَلَٰكِنَّ الظَّالِمِينَ بِآيَاتِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ
Efa fantatray fa tena mampalahelo anao tokoa izay notenin’izy ireo, tena marina fa izy ireo dia tsy mampadainga anao akory, fa ireo mpanao ny tsy rariny kosa dia mitsipaka ireo famataran’i Allah.
34وَلَقَدْ كُذِّبَتْ رُسُلٌ مِّن قَبْلِكَ فَصَبَرُوا عَلَىٰ مَا كُذِّبُوا وَأُوذُوا حَتَّىٰ أَتَاهُمْ نَصْرُنَا ۚ وَلَا مُبَدِّلَ لِكَلِمَاتِ اللَّهِ ۚ وَلَقَدْ جَاءَكَ مِن نَّبَإِ الْمُرْسَلِينَ
Ary efa nolazaina ho mpandainga ireo iraka teo alohanao, ka niharitra izy ireo tamin’ny nilazana azy ireo ho mpandainga sy tamin’ny fampijaliana nanjo azy ireo, mandra-pahatonga ny famonjena Taminay. Ary tsy misy afaka manova ireo tenin’I Allah, ary efa tonga taminao ny ampahan’ny tantaran’ireo Iraka.
35وَإِن كَانَ كَبُرَ عَلَيْكَ إِعْرَاضُهُمْ فَإِنِ اسْتَطَعْتَ أَن تَبْتَغِيَ نَفَقًا فِي الْأَرْضِ أَوْ سُلَّمًا فِي السَّمَاءِ فَتَأْتِيَهُم بِآيَةٍ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَجَمَعَهُمْ عَلَى الْهُدَىٰ ۚ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْجَاهِلِينَ
Na dia mafy taminao aza ny fitsipahan’izy ireo, koa raha afaka hitady lalana any ambanin’ny tany ianao, na tohatra hiakarana any an-danitra mba hitondranao amin’izy ireo ny fahagagana, (dia ataovy àry izany). Raha sitrak’I Allah dia navoriny tamin’ny lala-mahitsy izy ireo, aoka ianao tsy ho anisan’ireo olona bado !
36۞ إِنَّمَا يَسْتَجِيبُ الَّذِينَ يَسْمَعُونَ ۘ وَالْمَوْتَىٰ يَبْعَثُهُمُ اللَّهُ ثُمَّ إِلَيْهِ يُرْجَعُونَ
Ireo izay maheno ihany no mamaly ny antso. Ary ny maty rehetra dia hatsangan’I Allah, avy eo any Aminy no hamerenana azy ireo.
37وَقَالُوا لَوْلَا نُزِّلَ عَلَيْهِ آيَةٌ مِّن رَّبِّهِ ۚ قُلْ إِنَّ اللَّهَ قَادِرٌ عَلَىٰ أَن يُنَزِّلَ آيَةً وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ
Ary hoy izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nisy fahagagana nampidinina taminy avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Tena marina fa I Allah dia afaka mampidina fahagagana. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany".
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
35Andininy

Fandikana — Al-An'am 35

Surah Al-An'am Andininy 35 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Na dia mafy taminao aza ny fitsipahan’izy ireo, koa raha…

Surah Andininy 35/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 33–37. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers