Al-A'raf · 134/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَلَمَّا وَقَعَ عَلَيْهِمُ الرِّجْزُ قَالُوا يَا مُوسَى ادْعُ لَنَا رَبَّكَ بِمَا عَهِدَ عِندَكَ ۖ لَئِن كَشَفْتَ عَنَّا الرِّجْزَ لَنُؤْمِنَنَّ لَكَ وَلَنُرْسِلَنَّ مَعَكَ بَنِي إِسْرَائِيلَ ۝١٣٤
Wa lammaa waqa`a `alaihimur rijzu qaaloo ya Moosad-u lanaa rabbaka bimaa `ahida `indaka la`in kashafta `annar rijza lanu `minanna laka wa lanursilanna ma`aka Banee Israaa`eel
📖 Dikany Malagasy
Rehefa nihatra tamin’izy ireo ny sazy dia niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Mangataha ianao ho anay amin’ny Tomponao amin’ny fifanekena izay nomeny anao. Raha esorinao aminay tokoa ny sazy dia tena hino Anao izahay, ary alefanay hiaraka Aminao ireo zanak’Israely”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 132-136 — Al-A'raf

132وَقَالُوا مَهْمَا تَأْتِنَا بِهِ مِنْ آيَةٍ لِّتَسْحَرَنَا بِهَا فَمَا نَحْنُ لَكَ بِمُؤْمِنِينَ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “N'inon'inona ny fahagagana entinao sy hahasodoka anay, dia tsy hino anao velively izahay”.
133فَأَرْسَلْنَا عَلَيْهِمُ الطُّوفَانَ وَالْجَرَادَ وَالْقُمَّلَ وَالضَّفَادِعَ وَالدَّمَ آيَاتٍ مُّفَصَّلَاتٍ فَاسْتَكْبَرُوا وَكَانُوا قَوْمًا مُّجْرِمِينَ
Nalefanay tamin’izy ireo ny tondra-drano, ny valala, ny hao, sy ny sahona, ny rà, ho porofo mazava. Nefa nampitombo ny fiavonavonan'izy ireo izany, ka nijanona ho vahoaka mpanao heloka ihany izy ireo.
134وَلَمَّا وَقَعَ عَلَيْهِمُ الرِّجْزُ قَالُوا يَا مُوسَى ادْعُ لَنَا رَبَّكَ بِمَا عَهِدَ عِندَكَ ۖ لَئِن كَشَفْتَ عَنَّا الرِّجْزَ لَنُؤْمِنَنَّ لَكَ وَلَنُرْسِلَنَّ مَعَكَ بَنِي إِسْرَائِيلَ
Rehefa nihatra tamin’izy ireo ny sazy dia niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Mangataha ianao ho anay amin’ny Tomponao amin’ny fifanekena izay nomeny anao. Raha esorinao aminay tokoa ny sazy dia tena hino Anao izahay, ary alefanay hiaraka Aminao ireo zanak’Israely”.
135فَلَمَّا كَشَفْنَا عَنْهُمُ الرِّجْزَ إِلَىٰ أَجَلٍ هُم بَالِغُوهُ إِذَا هُمْ يَنكُثُونَ
Ka rehefa nesorinay tamin’izy ireo ny sazy ho amin’ny fotoana farany izay tratran’izy ireo, dia indro fa nivadika tamin’ny fanekena izy ireo.
136فَانتَقَمْنَا مِنْهُمْ فَأَغْرَقْنَاهُمْ فِي الْيَمِّ بِأَنَّهُمْ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَكَانُوا عَنْهَا غَافِلِينَ
Noho izany dia namaly azy ireo Izahay; ka narendrikay tao anatin'ny ranomasina izy ireo, satria izy ireo dia nilaza fa lainga ireo famantarana avy taminay ary tsy niraharaha izany izy ireo.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
134Andininy

Fandikana — Al-A'raf 134

Surah Al-A'raf Andininy 134 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Rehefa nihatra tamin’izy ireo ny sazy dia niteny izy ireo…

Surah Andininy 134/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 132–136. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers