Al-A'raf · 72/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
فَأَنجَيْنَاهُ وَالَّذِينَ مَعَهُ بِرَحْمَةٍ مِّنَّا وَقَطَعْنَا دَابِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا ۖ وَمَا كَانُوا مُؤْمِنِينَ ۝٧٢
Fa anjainaahu wallazeena ma`ahoo birahmatim minnaa wa qata`naa daabiral lazeena kazzaboo bi Aayaatinaa wa maa kaanoo mu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ka dia navotanay Izy sy ireo izay miaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Aminay, dia naringanay ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay ary tsy mpino izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 70-74 — Al-A'raf

70قَالُوا أَجِئْتَنَا لِنَعْبُدَ اللَّهَ وَحْدَهُ وَنَذَرَ مَا كَانَ يَعْبُدُ آبَاؤُنَا ۖ فَأْتِنَا بِمَا تَعِدُنَا إِن كُنتَ مِنَ الصَّادِقِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Moa ve tonga aty aminay Ianao mba hanompoanay Allah Irery ihany, ary mba hamelanay izay notompoin’ireo razambenay ? Ento aminay àry izay nampitandremanao anay (amin’ny sazy) raha anisan’ireo mpilaza ny marina tokoa Ianao”.
71قَالَ قَدْ وَقَعَ عَلَيْكُم مِّن رَّبِّكُمْ رِجْسٌ وَغَضَبٌ ۖ أَتُجَادِلُونَنِي فِي أَسْمَاءٍ سَمَّيْتُمُوهَا أَنتُمْ وَآبَاؤُكُم مَّا نَزَّلَ اللَّهُ بِهَا مِن سُلْطَانٍ ۚ فَانتَظِرُوا إِنِّي مَعَكُم مِّنَ الْمُنتَظِرِينَ
Niteny Izy (Hod) nanao hoe : “Indro fa efa nihatra aminareo ny fampijaliana sy ny fahatezerana avy amin’ny Tomponareo. Moa ve hiady hevitra Amiko mikasika ireo anarana izay nomenareo azy ireo (ireo sampy), ianareo sy ireo razambenareo, izay tsy nampidinan’I Allah porofo ny amin’izany na dia kely aza ? Andrasonareo àry, fa izaho dia anisan’ny miandry miaraka aminareo”.
72فَأَنجَيْنَاهُ وَالَّذِينَ مَعَهُ بِرَحْمَةٍ مِّنَّا وَقَطَعْنَا دَابِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا ۖ وَمَا كَانُوا مُؤْمِنِينَ
Ka dia navotanay Izy sy ireo izay miaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Aminay, dia naringanay ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay ary tsy mpino izy ireo.
73وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمْ صَالِحًا ۗ قَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ قَدْ جَاءَتْكُم بَيِّنَةٌ مِّن رَّبِّكُمْ ۖ هَٰذِهِ نَاقَةُ اللَّهِ لَكُمْ آيَةً ۖ فَذَرُوهَا تَأْكُلْ فِي أَرْضِ اللَّهِ ۖ وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوءٍ فَيَأْخُذَكُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Ary nalefanay tamin’ny foko Thamod ny rahalan’izy ireo Soãlihy, ka niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ity ny rameva vavin’I Allah, fahagagana ho anareo. Ka avelao izy hihinana amin’ny tanin’I Allah, ary aza manao ratsy aminy ianareo sao iharan’ny sazy mamirifiry.
74وَاذْكُرُوا إِذْ جَعَلَكُمْ خُلَفَاءَ مِن بَعْدِ عَادٍ وَبَوَّأَكُمْ فِي الْأَرْضِ تَتَّخِذُونَ مِن سُهُولِهَا قُصُورًا وَتَنْحِتُونَ الْجِبَالَ بُيُوتًا ۖ فَاذْكُرُوا آلَاءَ اللَّهِ وَلَا تَعْثَوْا فِي الْأَرْضِ مُفْسِدِينَ
Ary tsarovy raha nataony ho mpandimby toerana taorian’ny fokon’ny Aad ianareo, ka napetrany teo ambonin’ny tany ianareo. Nanorina lapa maro ianareo tamin’ireo tany lemaka, ary nolavahanareo ireo tendrombohitra ho trano. Ka tsarovinareo ireo fahasoavan’I Allah, ary aza miely eto ambonin'ny tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
72Andininy

Fandikana — Al-A'raf 72

Surah Al-A'raf Andininy 72 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka dia navotanay Izy sy ireo izay miaraka taminy, nohon'ny…

Surah Andininy 72/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 70–74. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers