An-Nahl · 77/128
Fandikana Fanononana — Surah An-Nahl
وَلِلَّهِ غَيْبُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَمَا أَمْرُ السَّاعَةِ إِلَّا كَلَمْحِ الْبَصَرِ أَوْ هُوَ أَقْرَبُ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٧٧
Wa lillaahi ghaibus samaawaati wal ard; wa maaa amrus Saa`ati illaa kalamhil basari aw huwa aqrab; innal laaha `alaaa kulli shai`in Qadeer
📖 Dikany Malagasy
Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 75-79 — Surah An-Nahl

75۞ ضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا عَبْدًا مَّمْلُوكًا لَّا يَقْدِرُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَمَن رَّزَقْنَاهُ مِنَّا رِزْقًا حَسَنًا فَهُوَ يُنفِقُ مِنْهُ سِرًّا وَجَهْرًا ۖ هَلْ يَسْتَوُونَ ۚ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ
* Nanome fanoharana i Allah amin’ny mpanompo iray, izay manan-tompo, tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona, ary (lehilahy) iray izay notoloranay fanomezana tsara, ka manao fandaniana amin’izany izy na miafina na miharihary. Moa ve mitovy izy(roa) ireo ? Dera anie ho an’i Allah ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala.
76وَضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا رَّجُلَيْنِ أَحَدُهُمَا أَبْكَمُ لَا يَقْدِرُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَهُوَ كَلٌّ عَلَىٰ مَوْلَاهُ أَيْنَمَا يُوَجِّههُّ لَا يَأْتِ بِخَيْرٍ ۖ هَلْ يَسْتَوِي هُوَ وَمَن يَأْمُرُ بِالْعَدْلِ ۙ وَهُوَ عَلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Ary nanome fanoharana amin’ny lehilahy Roa i Allah : ny iray amin’izy ireo moana, tsy afa-manao na inona na inona, fa ny tompony no miantoka Azy; n'aiza n'aiza andefasany Azy, dia tsy mba misy zava-tsoa entiny, moa hitovy amin’izay mandidy amin’ny fahamarinana sy amin’ny làla-mahitsy ve izy ?
77وَلِلَّهِ غَيْبُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَمَا أَمْرُ السَّاعَةِ إِلَّا كَلَمْحِ الْبَصَرِ أَوْ هُوَ أَقْرَبُ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
78وَاللَّهُ أَخْرَجَكُم مِّن بُطُونِ أُمَّهَاتِكُمْ لَا تَعْلَمُونَ شَيْئًا وَجَعَلَ لَكُمُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَالْأَفْئِدَةَ ۙ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Ary i Allah dia namoaka Anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy misy zavatra fantatrareo akory, ary nataony teo Aminareo ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, angamba ahalala ankasitraka Ianareo.
79أَلَمْ يَرَوْا إِلَى الطَّيْرِ مُسَخَّرَاتٍ فِي جَوِّ السَّمَاءِ مَا يُمْسِكُهُنَّ إِلَّا اللَّهُ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ
Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
77Andininy

Fandikana — An-Nahl 77

Surah An-Nahl Andininy 77 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary…

Surah Andininy 77/128 — Surah An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nahl Henoy, Surah An-Nahl Fandikana, Surah An-Nahl mp3, Surah An-Nahl pdf. Andininy 75–79. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers