Al-Qasas · 59/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَمَا كَانَ رَبُّكَ مُهْلِكَ الْقُرَىٰ حَتَّىٰ يَبْعَثَ فِي أُمِّهَا رَسُولًا يَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِنَا ۚ وَمَا كُنَّا مُهْلِكِي الْقُرَىٰ إِلَّا وَأَهْلُهَا ظَالِمُونَ ۝٥٩
Wa maa kaana Rabbuka muhlikal quraa hattaa yab`asa feee ummihaa Rasoolany yatloo `alaihim aayaatina; wa maa kunnaa muhlikil quraaa illaa wa ahluhaa zaalimoon
📖 Dikany Malagasy
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.

🎧 Henoy


📜 Andininy 57-61 — Al-Qasas

57وَقَالُوا إِن نَّتَّبِعِ الْهُدَىٰ مَعَكَ نُتَخَطَّفْ مِنْ أَرْضِنَا ۚ أَوَلَمْ نُمَكِّن لَّهُمْ حَرَمًا آمِنًا يُجْبَىٰ إِلَيْهِ ثَمَرَاتُ كُلِّ شَيْءٍ رِّزْقًا مِّن لَّدُنَّا وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ
Ary nilaza izy ireo nanao hoe : “Raha manaraka ny tari-dalana tsara miaraka aminao izahay, dia ho esorina amin’ny taninay”. Moa tsy napetrakay tamin’ny tany masina, azo antoka ve izy ireo, izay hitondràna ny vokatra isan-karazany ho anjara fanomezana avy aty Aminay ? Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
58وَكَمْ أَهْلَكْنَا مِن قَرْيَةٍ بَطِرَتْ مَعِيشَتَهَا ۖ فَتِلْكَ مَسَاكِنُهُمْ لَمْ تُسْكَن مِّن بَعْدِهِمْ إِلَّا قَلِيلًا ۖ وَكُنَّا نَحْنُ الْوَارِثِينَ
Ary firifiry moa ny tanàna narendrikay izay tsy nahalala nankasitraka tamin’ny fiainany (nefa ny mponina tao aminy dia niaina tamin’ny fahampiana), fa indro ny toeram-ponenan’izy ireo, tsy nisy nipetraka afa-tsy vitsy an'isa ihany taorian’izy ireo, ary Izahay tokoa no tena Mpandova.
59وَمَا كَانَ رَبُّكَ مُهْلِكَ الْقُرَىٰ حَتَّىٰ يَبْعَثَ فِي أُمِّهَا رَسُولًا يَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِنَا ۚ وَمَا كُنَّا مُهْلِكِي الْقُرَىٰ إِلَّا وَأَهْلُهَا ظَالِمُونَ
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.
60وَمَا أُوتِيتُم مِّن شَيْءٍ فَمَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَزِينَتُهَا ۚ وَمَا عِندَ اللَّهِ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۚ أَفَلَا تَعْقِلُونَ
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
61أَفَمَن وَعَدْنَاهُ وَعْدًا حَسَنًا فَهُوَ لَاقِيهِ كَمَن مَّتَّعْنَاهُ مَتَاعَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ثُمَّ هُوَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مِنَ الْمُحْضَرِينَ
Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
59Andininy

Fandikana — Al-Qasas 59

Surah Al-Qasas Andininy 59 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka…

Surah Andininy 59/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 57–61. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers