Al-Qasas · 60/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَمَا أُوتِيتُم مِّن شَيْءٍ فَمَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَزِينَتُهَا ۚ وَمَا عِندَ اللَّهِ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۚ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ۝٦٠
Wa maaa ooteetum min shai`in famataa`ul hayaatid dunyaa wa zeenatuhaa; wa maa `indal laahi khairunw wa abqaa; afalaa ta`qiloon
📖 Dikany Malagasy
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
🎧 Henoy

📜 Andininy 58-62 — Al-Qasas

58وَكَمْ أَهْلَكْنَا مِن قَرْيَةٍ بَطِرَتْ مَعِيشَتَهَا ۖ فَتِلْكَ مَسَاكِنُهُمْ لَمْ تُسْكَن مِّن بَعْدِهِمْ إِلَّا قَلِيلًا ۖ وَكُنَّا نَحْنُ الْوَارِثِينَ
Ary firifiry moa ny tanàna narendrikay izay tsy nahalala nankasitraka tamin’ny fiainany (nefa ny mponina tao aminy dia niaina tamin’ny fahampiana), fa indro ny toeram-ponenan’izy ireo, tsy nisy nipetraka afa-tsy vitsy an'isa ihany taorian’izy ireo, ary Izahay tokoa no tena Mpandova.
59وَمَا كَانَ رَبُّكَ مُهْلِكَ الْقُرَىٰ حَتَّىٰ يَبْعَثَ فِي أُمِّهَا رَسُولًا يَتْلُو عَلَيْهِمْ آيَاتِنَا ۚ وَمَا كُنَّا مُهْلِكِي الْقُرَىٰ إِلَّا وَأَهْلُهَا ظَالِمُونَ
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.
60وَمَا أُوتِيتُم مِّن شَيْءٍ فَمَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَزِينَتُهَا ۚ وَمَا عِندَ اللَّهِ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۚ أَفَلَا تَعْقِلُونَ
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
61أَفَمَن وَعَدْنَاهُ وَعْدًا حَسَنًا فَهُوَ لَاقِيهِ كَمَن مَّتَّعْنَاهُ مَتَاعَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ثُمَّ هُوَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مِنَ الْمُحْضَرِينَ
Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?
62وَيَوْمَ يُنَادِيهِمْ فَيَقُولُ أَيْنَ شُرَكَائِيَ الَّذِينَ كُنتُمْ تَزْعُمُونَ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
60Andininy

Fandikana — Al-Qasas 60

Surah Al-Qasas Andininy 60 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana…

Surah Andininy 60/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 58–62. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers