Al-Qasas · 9/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَقَالَتِ امْرَأَتُ فِرْعَوْنَ قُرَّتُ عَيْنٍ لِّي وَلَكَ ۖ لَا تَقْتُلُوهُ عَسَىٰ أَن يَنفَعَنَا أَوْ نَتَّخِذَهُ وَلَدًا وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ۝٩
Wa qaalatim ra atu Fir`awna qurratu `aynil lee wa lak; laa taqtuloohu `asaaa aiyanfa`anaa aw nattakhizahoo waladanw wa hum laa yash`uroon
📖 Dikany Malagasy
Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 7-11 — Al-Qasas

7وَأَوْحَيْنَا إِلَىٰ أُمِّ مُوسَىٰ أَنْ أَرْضِعِيهِ ۖ فَإِذَا خِفْتِ عَلَيْهِ فَأَلْقِيهِ فِي الْيَمِّ وَلَا تَخَافِي وَلَا تَحْزَنِي ۖ إِنَّا رَادُّوهُ إِلَيْكِ وَجَاعِلُوهُ مِنَ الْمُرْسَلِينَ
Ary nandefasanay hafatra ny renin’i Mosesy hoe : “Ampinonoy izy. Ary raha matahotra ny aminy ianao, dia alatsaho anaty renirano izy. Ary aza matahotra sy malahelo ianao ; tena marina fa Izahay dia hamerina azy eo aminao, ary hanao azy ho anisan’ireo Iraka”.
8فَالْتَقَطَهُ آلُ فِرْعَوْنَ لِيَكُونَ لَهُمْ عَدُوًّا وَحَزَنًا ۗ إِنَّ فِرْعَوْنَ وَهَامَانَ وَجُنُودَهُمَا كَانُوا خَاطِئِينَ
Ary noraisin’ireo fianakavian’i Faraona izy, mba ho lasa fahavalo sy (ho loharanon’ny) alahelo ho azy ireo ! Marina fa i Faraona, Hamàna ary ireo miaramilany dia nanam-pahadisoana.
9وَقَالَتِ امْرَأَتُ فِرْعَوْنَ قُرَّتُ عَيْنٍ لِّي وَلَكَ ۖ لَا تَقْتُلُوهُ عَسَىٰ أَن يَنفَعَنَا أَوْ نَتَّخِذَهُ وَلَدًا وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ
Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo.
10وَأَصْبَحَ فُؤَادُ أُمِّ مُوسَىٰ فَارِغًا ۖ إِن كَادَتْ لَتُبْدِي بِهِ لَوْلَا أَن رَّبَطْنَا عَلَىٰ قَلْبِهَا لِتَكُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ
Lasa foana ny fon’ny renin’i Mosesy, saika haharihariny avokoa ny momba azy, raha tsy nohamafisinay ny fony, mba ho anisan’ireo mpino izy.
11وَقَالَتْ لِأُخْتِهِ قُصِّيهِ ۖ فَبَصُرَتْ بِهِ عَن جُنُبٍ وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ
Ary niteny tamin’ny anabaviny izy hoe : “Araho izy”, ka tazany avy lavitra izy, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa akory.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
9Andininy

Fandikana — Al-Qasas 9

Surah Al-Qasas Andininy 9 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity)…

Surah Andininy 9/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 7–11. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers