Iloaran'i Imrana · 22/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ ۝٢٢
Ulaaa`ikal lazeena habitat a`maaluhum fid dunyaa wal Aaakhirati wa maa lahum min naasireen
📖 Dikany Malagasy
Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 20-24 — Iloaran'i Imrana

20فَإِنْ حَاجُّوكَ فَقُلْ أَسْلَمْتُ وَجْهِيَ لِلَّهِ وَمَنِ اتَّبَعَنِ ۗ وَقُل لِّلَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ وَالْأُمِّيِّينَ أَأَسْلَمْتُمْ ۚ فَإِنْ أَسْلَمُوا فَقَدِ اهْتَدَوا ۖ وَّإِن تَوَلَّوْا فَإِنَّمَا عَلَيْكَ الْبَلَاغُ ۗ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِالْعِبَادِ
Fa raha miady hevitra Aminao izy ireo, dia teneno hoe : “ Natolotro ho an’i Allah ny tavako (tenako), sy izay manaraka Ahy ”. Ary teneno amin’ireo nomena ny Boky sy ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny hoe : “ Moa efa niditra Islamo ve Ianareo ? ”. Raha niditra Islamo izy ireo, dia efa nahazo ny tari-dàlana. Ary raha niamboho kosa izy ireo... dia tsy inona, afa-tsy mpampiely fotsiny Ianao. Ary i Allah dia mahita amin’ny antsipiriany izay rehetra ataon’ireo mpanompo.
21إِنَّ الَّذِينَ يَكْفُرُونَ بِآيَاتِ اللَّهِ وَيَقْتُلُونَ النَّبِيِّينَ بِغَيْرِ حَقٍّ وَيَقْتُلُونَ الَّذِينَ يَأْمُرُونَ بِالْقِسْطِ مِنَ النَّاسِ فَبَشِّرْهُم بِعَذَابٍ أَلِيمٍ
Tena marina fa izay mitsipaka ireo porofo famantarana avy amin’Allah, ka mandatsak’aina tsy amim-pahamarinana ireo Mpaminany, ary mandatsak’aina ihany koa ireo olona izay mampirisika ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny, dia lazao, fa, miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana.
22أُولَٰئِكَ الَّذِينَ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ
Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo.
23أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ أُوتُوا نَصِيبًا مِّنَ الْكِتَابِ يُدْعَوْنَ إِلَىٰ كِتَابِ اللَّهِ لِيَحْكُمَ بَيْنَهُمْ ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٌ مِّنْهُمْ وَهُم مُّعْرِضُونَ
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky [41] ? Antsoina izy ireo mankany amin’ny Bokin’i Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina.
24ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَن تَمَسَّنَا النَّارُ إِلَّا أَيَّامًا مَّعْدُودَاتٍ ۖ وَغَرَّهُمْ فِي دِينِهِم مَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
22Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 22

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 22 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety…

Surah Andininy 22/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 20–24. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers