Al-Ahzab · 31/73
Fandikana Fanononana — Al-Ahzab
۞ وَمَن يَقْنُتْ مِنكُنَّ لِلَّهِ وَرَسُولِهِ وَتَعْمَلْ صَالِحًا نُّؤْتِهَا أَجْرَهَا مَرَّتَيْنِ وَأَعْتَدْنَا لَهَا رِزْقًا كَرِيمًا ۝٣١
Wa mai yaqnut minkunna lillaahi wa Rasoolihee wa ta`mal saalihan nu`tihaaa ajrahaa marratayni wa a`tadnaa lahaa rizqan kareema
📖 Dikany Malagasy
Ary izay manaiky tanteraka an’I Allah sy ny Irany, aminareo, ka manao ny tsara, dia homenay valisoa avo roa heny izy, sy hanomananay anjara, omena an-kalalahana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 29-33 — Al-Ahzab

29وَإِن كُنتُنَّ تُرِدْنَ اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَالدَّارَ الْآخِرَةَ فَإِنَّ اللَّهَ أَعَدَّ لِلْمُحْسِنَاتِ مِنكُنَّ أَجْرًا عَظِيمًا
Fa raha Allah sy ny Irany kosa ary ny Fonenana any an-koatra no tianareo, tena marina fa Allah dia nanomana ho an’ireo mpanao asa tsara ny valisoa lehibe indrindra.
30يَا نِسَاءَ النَّبِيِّ مَن يَأْتِ مِنكُنَّ بِفَاحِشَةٍ مُّبَيِّنَةٍ يُضَاعَفْ لَهَا الْعَذَابُ ضِعْفَيْنِ ۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرًا
Ô ry vadin’i Mpaminany ! Izay manao asa vetaveta aminareo ka voaporofo izany, dia hampitomboina avo roa heny ny famaizana azy ! Ary mora amin’i Allah izany.
31۞ وَمَن يَقْنُتْ مِنكُنَّ لِلَّهِ وَرَسُولِهِ وَتَعْمَلْ صَالِحًا نُّؤْتِهَا أَجْرَهَا مَرَّتَيْنِ وَأَعْتَدْنَا لَهَا رِزْقًا كَرِيمًا
Ary izay manaiky tanteraka an’I Allah sy ny Irany, aminareo, ka manao ny tsara, dia homenay valisoa avo roa heny izy, sy hanomananay anjara, omena an-kalalahana.
32يَا نِسَاءَ النَّبِيِّ لَسْتُنَّ كَأَحَدٍ مِّنَ النِّسَاءِ ۚ إِنِ اتَّقَيْتُنَّ فَلَا تَخْضَعْنَ بِالْقَوْلِ فَيَطْمَعَ الَّذِي فِي قَلْبِهِ مَرَضٌ وَقُلْنَ قَوْلًا مَّعْرُوفًا
Ry vadin’ny Mpaminany! Tsy mitovy amin’ny vehivavy hafa rehetra ianareo. Raha tena manam-patahorana ianareo, dia aoka tsy hiangoty loatra amin’ny fomba fiteny, mba tsy hampitsiriritra izay manana fo marary. Fa manaova fiteny maotina.
33وَقَرْنَ فِي بُيُوتِكُنَّ وَلَا تَبَرَّجْنَ تَبَرُّجَ الْجَاهِلِيَّةِ الْأُولَىٰ ۖ وَأَقِمْنَ الصَّلَاةَ وَآتِينَ الزَّكَاةَ وَأَطِعْنَ اللَّهَ وَرَسُولَهُ ۚ إِنَّمَا يُرِيدُ اللَّهُ لِيُذْهِبَ عَنكُمُ الرِّجْسَ أَهْلَ الْبَيْتِ وَيُطَهِّرَكُمْ تَطْهِيرًا
Mijanòna ianareo ao an-tokantranonareo; fa aza misehoseho tena tahaka ireo vehivavy tamin’ ny andron’ny tsy fahalalana (talohan’ny finoana Islamo). Ary tanterahonareo ny Soalat (vavaka), omenareo ny Zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo Allah sy ny Irany. Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanala ny fahalotoana aminareo ry fianakavian’ny Mpaminany, sy ny hanadio anareo tanteraka.
Al-AhzabFizahan-takila Koraña
73Andininy
MedinanRevelation
31Andininy

Fandikana — Al-Ahzab 31

Surah Al-Ahzab Andininy 31 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izay manaiky tanteraka an’I Allah sy ny Irany, aminareo,…

Surah Andininy 31/73 — Al-Ahzab الأحزاب (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahzab Henoy, Al-Ahzab Fandikana, Al-Ahzab mp3, Al-Ahzab pdf. Andininy 29–33. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers