Al-An'am · 56/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
قُلْ إِنِّي نُهِيتُ أَنْ أَعْبُدَ الَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ ۚ قُل لَّا أَتَّبِعُ أَهْوَاءَكُمْ ۙ قَدْ ضَلَلْتُ إِذًا وَمَا أَنَا مِنَ الْمُهْتَدِينَ ۝٥٦
Qul innee nuheetu an a`budal lazeena tad`oona min doonil laah; qul laaa attabi`u ahwaaa`akum qad dalaltu izanw wa maaa ana minal muhtadeen
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : “Tena norarana aho mba tsy hanompo ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah”. Teneno hoe : “Izaho dia tsy mba hanaraka ny hetahetam-ponareo; Tena very aho raha manaraka izany ary tsy ho anisan’ireo mpanaraka ny lala-mahitsy aho”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 54-58 — Al-An'am

54وَإِذَا جَاءَكَ الَّذِينَ يُؤْمِنُونَ بِآيَاتِنَا فَقُلْ سَلَامٌ عَلَيْكُمْ ۖ كَتَبَ رَبُّكُمْ عَلَىٰ نَفْسِهِ الرَّحْمَةَ ۖ أَنَّهُ مَنْ عَمِلَ مِنكُمْ سُوءًا بِجَهَالَةٍ ثُمَّ تَابَ مِن بَعْدِهِ وَأَصْلَحَ فَأَنَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Raha tonga eo aminao ireo mino ny fanambaranay dia teneno hoe : “Fiadanana ho aminareo, nodidian’ny Tomponareo amin’ny Tenany ny famindram-po. Marina tokoa fa izay manao ny ratsy tsy amim-pahalalana aminareo, ka mibebaka izy aorian’izany sy manarina ny tenany, Tena marina fa Izy dia Mpamela heloka sy be Fiantrana.
55وَكَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ وَلِتَسْتَبِينَ سَبِيلُ الْمُجْرِمِينَ
Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana mba hiseho mazava ny lalan’ireo mpanao ny heloka.
56قُلْ إِنِّي نُهِيتُ أَنْ أَعْبُدَ الَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ ۚ قُل لَّا أَتَّبِعُ أَهْوَاءَكُمْ ۙ قَدْ ضَلَلْتُ إِذًا وَمَا أَنَا مِنَ الْمُهْتَدِينَ
Teneno hoe : “Tena norarana aho mba tsy hanompo ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah”. Teneno hoe : “Izaho dia tsy mba hanaraka ny hetahetam-ponareo; Tena very aho raha manaraka izany ary tsy ho anisan’ireo mpanaraka ny lala-mahitsy aho”.
57قُلْ إِنِّي عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَكَذَّبْتُم بِهِ ۚ مَا عِندِي مَا تَسْتَعْجِلُونَ بِهِ ۚ إِنِ الْحُكْمُ إِلَّا لِلَّهِ ۖ يَقُصُّ الْحَقَّ ۖ وَهُوَ خَيْرُ الْفَاصِلِينَ
Teneno hoe : “Izaho dia miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ianareo anefa nilaza izany ho lainga. Tsy ananako izay tadiavinareo ho hafangainina; tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’I Allah, Izy no manapaka ny marina ary Izy no Mpitsara mendrika indrindra.
58قُل لَّوْ أَنَّ عِندِي مَا تَسْتَعْجِلُونَ بِهِ لَقُضِيَ الْأَمْرُ بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ ۗ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِالظَّالِمِينَ
Teneno hoe : “Raha toa ka ananako izay tadiavinareo ho hafainganina dia tena tapitra teo ny raharaha eo amiko sy aminareo”. Ary I Allah no Mahalala kokoa ireo mpanao ny tsy rariny.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
56Andininy

Fandikana — Al-An'am 56

Surah Al-An'am Andininy 56 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : “Tena norarana aho mba tsy hanompo ireo…

Surah Andininy 56/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 54–58. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers