Al-An'am · 69/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
وَمَا عَلَى الَّذِينَ يَتَّقُونَ مِنْ حِسَابِهِم مِّن شَيْءٍ وَلَٰكِن ذِكْرَىٰ لَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ ۝٦٩
Wa maa `alal lazeena yattaqoona min hisaabihim min shai`inw wa laakin zikraa la`allahum yattaqoon
📖 Dikany Malagasy
Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia kely aza. Fa ny fampahatsiahivana ihany. Angamba hanam-patahorana izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 67-71 — Surah Al-An'am

67لِّكُلِّ نَبَإٍ مُّسْتَقَرٌّ ۚ وَسَوْفَ تَعْلَمُونَ
Ny vaovao tsirairay dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fotoanany sy amin’ny toerany avy ary ho fantatrareo tsy ho ela izany.
68وَإِذَا رَأَيْتَ الَّذِينَ يَخُوضُونَ فِي آيَاتِنَا فَأَعْرِضْ عَنْهُمْ حَتَّىٰ يَخُوضُوا فِي حَدِيثٍ غَيْرِهِ ۚ وَإِمَّا يُنسِيَنَّكَ الشَّيْطَانُ فَلَا تَقْعُدْ بَعْدَ الذِّكْرَىٰ مَعَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ
Ary raha mahita ireo izay mitsikera amin’ny ady hevitra momba ireo fanambaranay ianao, dia aoka hanalavitra azy ireo Ianao, mandra-pirotsahany amin’ny resaka hafa. Ary raha mampanadino anao i Satana dia aoka ianao tsy hipetraka miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aorian’ny fahatsiarovana.
69وَمَا عَلَى الَّذِينَ يَتَّقُونَ مِنْ حِسَابِهِم مِّن شَيْءٍ وَلَٰكِن ذِكْرَىٰ لَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ
Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia kely aza. Fa ny fampahatsiahivana ihany. Angamba hanam-patahorana izy ireo.
70وَذَرِ الَّذِينَ اتَّخَذُوا دِينَهُمْ لَعِبًا وَلَهْوًا وَغَرَّتْهُمُ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا ۚ وَذَكِّرْ بِهِ أَن تُبْسَلَ نَفْسٌ بِمَا كَسَبَتْ لَيْسَ لَهَا مِن دُونِ اللَّهِ وَلِيٌّ وَلَا شَفِيعٌ وَإِن تَعْدِلْ كُلَّ عَدْلٍ لَّا يُؤْخَذْ مِنْهَا ۗ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ أُبْسِلُوا بِمَا كَسَبُوا ۖ لَهُمْ شَرَابٌ مِّنْ حَمِيمٍ وَعَذَابٌ أَلِيمٌ بِمَا كَانُوا يَكْفُرُونَ
Ary avelao ireo izay manao ny finoany ho kilalao sy rendrarendra, ary nofitahin’ny fiainana eto an-tany. Ary ampahatsiahivo amin’ny alalany (Koro’any) Ianao mba tsy hisy olona maty antoka nohon'ny asa vitany, tsy hanana mpiahy na mpanelanelana izy ankoatr’I Allah. Ary na inona na inona ny onitra atolony dia tsy ho raisina avy aminy izany. Izy ireny no olona maty antoka amin’ny asa vitany. Ho azy ireo ny zava-pisotro mangotraka sy ny sazy mamirifiry noho izy ireo tsy nino.
71قُلْ أَنَدْعُو مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَنفَعُنَا وَلَا يَضُرُّنَا وَنُرَدُّ عَلَىٰ أَعْقَابِنَا بَعْدَ إِذْ هَدَانَا اللَّهُ كَالَّذِي اسْتَهْوَتْهُ الشَّيَاطِينُ فِي الْأَرْضِ حَيْرَانَ لَهُ أَصْحَابٌ يَدْعُونَهُ إِلَى الْهُدَى ائْتِنَا ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۖ وَأُمِرْنَا لِنُسْلِمَ لِرَبِّ الْعَالَمِينَ
Teneno hoe : “Moa ve hitalaho ankoatr’I Allah izahay, izay tsy afaka hanasoa anay na hanaratsy anay ? Ary haverina amin’ny vody tongotray (hiverin-dàlana) izahay taorian’ny notarihan’I Allah làlana anay, tahaka izay norebireben’ireo satana eto an-tany, sanganehana, na dia misy namana miantso azy izy ho amin’ny tari-dàlana : “Tongava aty aminay ianao”. Teneno hoe : “Ny tari-dalan’I Allah no tena tari-dàlana. Ary nodidiana izahay mba hanaiky tanteraka ny Tompon’izao Tontolo izao”.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
69Andininy

Fandikana — Al-An'am 69

Surah Al-An'am Andininy 69 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy anjaran’ireo izay manam-patahorana ny fitsarana azy ireo na dia…

Surah Andininy 69/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 67–71. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers