Taha · 79/135
Fandikana Fanononana — Taha
وَأَضَلَّ فِرْعَوْنُ قَوْمَهُ وَمَا هَدَىٰ ۝٧٩
wa adalla fir`awnu qawmahoo wa maa hadaa
📖 Dikany Malagasy
Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 77-81 — Taha

77وَلَقَدْ أَوْحَيْنَا إِلَىٰ مُوسَىٰ أَنْ أَسْرِ بِعِبَادِي فَاضْرِبْ لَهُمْ طَرِيقًا فِي الْبَحْرِ يَبَسًا لَّا تَخَافُ دَرَكًا وَلَا تَخْشَىٰ
Ary nolazainay tamin’i Mosa ny hoe : “ Mandehana amin’ny alina, miaraka amin’ireo mpanompoko Ianao, ka kapohy ny ranomasina ho làlan’izy ireo. Aza matahotra ny fanenjehana, ary aza manahy Ianao ! ”
78فَأَتْبَعَهُمْ فِرْعَوْنُ بِجُنُودِهِ فَغَشِيَهُم مِّنَ الْيَمِّ مَا غَشِيَهُمْ
Ka nanenjika azy ireo i Faraona niaraka tamin’ireo miaramilany, nefa voarakotry ny ranomasina tanteraka izy ireo.
79وَأَضَلَّ فِرْعَوْنُ قَوْمَهُ وَمَا هَدَىٰ
Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy.
80يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ قَدْ أَنجَيْنَاكُم مِّنْ عَدُوِّكُمْ وَوَاعَدْنَاكُمْ جَانِبَ الطُّورِ الْأَيْمَنَ وَنَزَّلْنَا عَلَيْكُمُ الْمَنَّ وَالسَّلْوَىٰ
Ô ry Zanakan’Israely ! Efa navotanay teo amin’ny fahavalonareo Ianareo, ary efa nomenay fotoana teo amin’ny ilany havanan’ny tendrombohitra Tora ihany koa Ianareo, ary mbola nampidininay Taminareo ny mana sy ireo mpapelika.
81كُلُوا مِن طَيِّبَاتِ مَا رَزَقْنَاكُمْ وَلَا تَطْغَوْا فِيهِ فَيَحِلَّ عَلَيْكُمْ غَضَبِي ۖ وَمَن يَحْلِلْ عَلَيْهِ غَضَبِي فَقَدْ هَوَىٰ
Mihinàna Ianareo amin’ireo sakafo tsara izay anjara nomenay Anareo. Ary aza mihoa-pefy amin’izany Ianareo, raha tsy izany, dia hianjera Aminareo ny hatezerako. Fa izay hianjeran’ny hatezerako, dia mankany amin’ny fahapotehana tanteraka.
TahaFizahan-takila Koraña
135Andininy
MeccanRevelation
79Andininy

Fandikana — Taha 79

Surah Taha Andininy 79 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy.

Surah Andininy 79/135 — Taha طه (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Taha Henoy, Taha Fandikana, Taha mp3, Taha pdf. Andininy 77–81. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers