19 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
96:1 Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay Nahary.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
96:2 Nahary ny olombelona tamin'ny vongan-drà.
ﮠﮡﮢﮣ
96:3 Vakio fa ny Tomponao dia be fitsimbinana.
ﮤﮥﮦﮧ
96:4 Izay nampianatra tamin'ny alalan'ny penina.
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
96:5 Nampianatra ny olombelona ireo zavatra tsy fantany.
ﮮﮯﮰﮱﯓ
96:6 Tsia ! indrisy anefa fa mihoa-pefy tokoa ny olombelona.
ﯔﯕﯖﯗ
96:7 Rehefa nahita ny tenany ho mahavita tena.
ﯘﯙﯚﯛﯜ
96:8 kanefa any amin'ny Tomponao tokoa no hiverenana.
ﯝﯞﯟﯠ
96:9 Moa va hitanao ilay mandrara.
ﯡﯢﯣﯤ
96:10 Ny mpanompo rehefa hivavaka ?
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
96:11 Moa fantatrao va raha toa ka ao anatin'ny fahitsiana izy.
ﯫﯬﯭﯮ
96:12 Na naniraka ho amin'ny fahatahorana an'I Allah.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
96:13 Moa va hitanao raha tsy nino sy nandà izy?
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
96:14 Ary moa va tsy fantany fa mahita azy tokoa Allah ?
ﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
96:15 Tsia ! Raha tsy mijanona amin'zany izy dia hosintoniko eo amin'ny sangany !
ﭣﭤﭥﭦ
96:16 Dia ilay sangan'ny mpandainga sy mpanota !
ﭧﭨﭩ
96:17 Ka tokony hiantso ireo mpiandany aminy izy.
ﭪﭫﭬ
96:18 Fa ho antsoiko ihany koa ireo Anjely mpiambina ny Afobe.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
96:19 Tsia ! Aza mankàto azy ireo ianao fa miankohofa ary manatona Tompo Allah.

Koraña Masina


Wednesday, September 30, 2026

Don't forget us in your sincere prayers