Houd · 86/123
Fandikana Fanononana — Houd
بَقِيَّتُ اللَّهِ خَيْرٌ لَّكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۚ وَمَا أَنَا عَلَيْكُم بِحَفِيظٍ ۝٨٦
Baqiyyatul laahi khairul lakum in kuntum mu`mineen; wa maa ana `alaikum bihafeez
📖 Dikany Malagasy
Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny na dia kely) no tsara ho Anareo raha mpino marina Ianareo ! Fa Izaho kosa dia tsy mpiambina Anareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 84-88 — Houd

84۞ وَإِلَىٰ مَدْيَنَ أَخَاهُمْ شُعَيْبًا ۚ قَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ وَلَا تَنقُصُوا الْمِكْيَالَ وَالْمِيزَانَ ۚ إِنِّي أَرَاكُم بِخَيْرٍ وَإِنِّي أَخَافُ عَلَيْكُمْ عَذَابَ يَوْمٍ مُّحِيطٍ
Ary nalefanay tamin’ny foko Madiana, ny rahalahin’izy ireo Shoaibo izay nilaza tamin’izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy mihitsy Ianareo. Aza ahenanareo ny famarana sy ny lanja. Izaho dia mahita, fa ao anaty hasambarana Ianareo, nefa matahotra ho Anareo Aho (raha tsy mino ianareo) ny sazy amin’ny andro izay handrakotra ny rehetra.
85وَيَا قَوْمِ أَوْفُوا الْمِكْيَالَ وَالْمِيزَانَ بِالْقِسْطِ ۖ وَلَا تَبْخَسُوا النَّاسَ أَشْيَاءَهُمْ وَلَا تَعْثَوْا فِي الْأَرْضِ مُفْسِدِينَ
Oh ry vahoakako ! aoka ataonareo amim-pahamarinana ny fatra sy ny fandanjana, aza ahena ny lanjan’izay tokony ho an’olona, ary aza mampiely asa fanimbana ny tany Ianareo.
86بَقِيَّتُ اللَّهِ خَيْرٌ لَّكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۚ وَمَا أَنَا عَلَيْكُم بِحَفِيظٍ
Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny na dia kely) no tsara ho Anareo raha mpino marina Ianareo ! Fa Izaho kosa dia tsy mpiambina Anareo.
87قَالُوا يَا شُعَيْبُ أَصَلَاتُكَ تَأْمُرُكَ أَن نَّتْرُكَ مَا يَعْبُدُ آبَاؤُنَا أَوْ أَن نَّفْعَلَ فِي أَمْوَالِنَا مَا نَشَاءُ ۖ إِنَّكَ لَأَنتَ الْحَلِيمُ الرَّشِيدُ
Nilaza izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! moa ve ny Soalat (ny fivavahanao) no mandidy Anao mba hamelanay izay efa notompoin’ireo razambenay, na mibaiko Anay amin’izay tianay atao amin’ireo fanananay ? hamafisina, fa Ianao tokoa ilay malemy fanahy sy ilay mahitsy indrinra”.
88قَالَ يَا قَوْمِ أَرَأَيْتُمْ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَرَزَقَنِي مِنْهُ رِزْقًا حَسَنًا ۚ وَمَا أُرِيدُ أَنْ أُخَالِفَكُمْ إِلَىٰ مَا أَنْهَاكُمْ عَنْهُ ۚ إِنْ أُرِيدُ إِلَّا الْإِصْلَاحَ مَا اسْتَطَعْتُ ۚ وَمَا تَوْفِيقِي إِلَّا بِاللَّهِ ۚ عَلَيْهِ تَوَكَّلْتُ وَإِلَيْهِ أُنِيبُ
Namaly Izy ka nanao hoe : Oh ry vahoakako ! hitanareo ve raha Izaho no miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ary raha manome Ahy fanomezana tsara indrindra avy Aminy Izy ? ary tsy maniry ny hanohitra Anareo velively Aho amin’izay nandrarako Anareo fa ny fanatsarana no tiako atao araka izay vitako ary tsy miankina afa-tsy amin’i Allah ny fahombiazako any Aminy no hametrahako ny fitokisako, ary any Aminy ihany koa no hiverenako hibebaka.
HoudFizahan-takila Koraña
123Andininy
MeccanRevelation
86Andininy

Fandikana — Houd 86

Surah Houd Andininy 86 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny…

Surah Andininy 86/123 — Houd هود (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Houd Henoy, Houd Fandikana, Houd mp3, Houd pdf. Andininy 84–88. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers