An-Nahl · 74/128
Fandikana Fanononana — An-Nahl
فَلَا تَضْرِبُوا لِلَّهِ الْأَمْثَالَ ۚ إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ ۝٧٤
Falaa tadriboo lillaahil amsaal; innal laaha ya`lamu wa antum laa ta`lamoon
📖 Dikany Malagasy
Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala.
🎧 Henoy

📜 Andininy 72-76 — An-Nahl

72وَاللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنْ أَزْوَاجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةً وَرَزَقَكُم مِّنَ الطَّيِّبَاتِ ۚ أَفَبِالْبَاطِلِ يُؤْمِنُونَ وَبِنِعْمَتِ اللَّهِ هُمْ يَكْفُرُونَ
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
73وَيَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَمْلِكُ لَهُمْ رِزْقًا مِّنَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ شَيْئًا وَلَا يَسْتَطِيعُونَ
Ary manompo ankoatr’i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanome azy ireo anjara fivelomana akory avy amin’ireo lanitra sy ny tany, no sady tsy afaka manao na inona na inona.
74فَلَا تَضْرِبُوا لِلَّهِ الْأَمْثَالَ ۚ إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ
Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala.
75۞ ضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا عَبْدًا مَّمْلُوكًا لَّا يَقْدِرُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَمَن رَّزَقْنَاهُ مِنَّا رِزْقًا حَسَنًا فَهُوَ يُنفِقُ مِنْهُ سِرًّا وَجَهْرًا ۖ هَلْ يَسْتَوُونَ ۚ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ
* Nanome fanoharana i Allah amin’ny mpanompo iray, izay manan-tompo, tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona, ary (lehilahy) iray izay notoloranay fanomezana tsara, ka manao fandaniana amin’izany izy na miafina na miharihary. Moa ve mitovy izy(roa) ireo ? Dera anie ho an’i Allah ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala.
76وَضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا رَّجُلَيْنِ أَحَدُهُمَا أَبْكَمُ لَا يَقْدِرُ عَلَىٰ شَيْءٍ وَهُوَ كَلٌّ عَلَىٰ مَوْلَاهُ أَيْنَمَا يُوَجِّههُّ لَا يَأْتِ بِخَيْرٍ ۖ هَلْ يَسْتَوِي هُوَ وَمَن يَأْمُرُ بِالْعَدْلِ ۙ وَهُوَ عَلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Ary nanome fanoharana amin’ny lehilahy Roa i Allah : ny iray amin’izy ireo moana, tsy afa-manao na inona na inona, fa ny tompony no miantoka Azy; n'aiza n'aiza andefasany Azy, dia tsy mba misy zava-tsoa entiny, moa hitovy amin’izay mandidy amin’ny fahamarinana sy amin’ny làla-mahitsy ve izy ?
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
74Andininy

Fandikana — An-Nahl 74

Surah An-Nahl Andininy 74 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena…

Surah Andininy 74/128 — An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nahl Henoy, An-Nahl Fandikana, An-Nahl mp3, An-Nahl pdf. Andininy 72–76. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers