Al-Baqarah · 147/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
الْحَقُّ مِن رَّبِّكَ ۖ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْمُمْتَرِينَ ۝١٤٧
Alhaqqu mir Rabbika falaa takoonana minal mumtareen
📖 Dikany Malagasy
Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala ianao.
🎧 Henoy

📜 Andininy 145-149 — Al-Baqarah

145وَلَئِنْ أَتَيْتَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ بِكُلِّ آيَةٍ مَّا تَبِعُوا قِبْلَتَكَ ۚ وَمَا أَنتَ بِتَابِعٍ قِبْلَتَهُمْ ۚ وَمَا بَعْضُهُم بِتَابِعٍ قِبْلَةَ بَعْضٍ ۚ وَلَئِنِ اتَّبَعْتَ أَهْوَاءَهُم مِّن بَعْدِ مَا جَاءَكَ مِنَ الْعِلْمِ ۙ إِنَّكَ إِذًا لَّمِنَ الظَّالِمِينَ
Na dia hampiseho amin’ireo izay nomena ny boky ireo porofo famantarana rehetra aza ianao, dia tsy hanaraka ny fitodihanao (kibla) velively izy ireo! Ary tsy ianao ihany koa anefa no tokony hanaraka ny fitodihany; fa na ny andaniny amin’izy ireo aza tsy manaraka ny fitodihan’ny an-kilany. Fa raha nanaraka ny sitrapon’izy ireo ianao taorian’ny nahazoanao ny fahalalàna, dia lazaiko marimarina aminao, fa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianao.
146الَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَعْرِفُونَهُ كَمَا يَعْرِفُونَ أَبْنَاءَهُمْ ۖ وَإِنَّ فَرِيقًا مِّنْهُمْ لَيَكْتُمُونَ الْحَقَّ وَهُمْ يَعْلَمُونَ
Ireo izay notoloranay ny Boky, dia mahalala an’izany tahaka ny fahalalan’izy ireo ny zanany. Ary tena marina fa misy andiany amin’izy ireo no tena manafina ny marina, kanefa mahafantatra tsara izany izy ireo.
147الْحَقُّ مِن رَّبِّكَ ۖ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْمُمْتَرِينَ
Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala ianao.
148وَلِكُلٍّ وِجْهَةٌ هُوَ مُوَلِّيهَا ۖ فَاسْتَبِقُوا الْخَيْرَاتِ ۚ أَيْنَ مَا تَكُونُوا يَأْتِ بِكُمُ اللَّهُ جَمِيعًا ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ny tsirairay dia samy manana ny zotra izay hitodihany. Mifaninàna àry ianareo amin’ireo asa soa. n’aiza n’aiza no misy anareo dia havorin’Allah any Aminy ianareo rehetra. tena marina fa Allah dia Mahefa ny zavatra rehetra.
149وَمِنْ حَيْثُ خَرَجْتَ فَوَلِّ وَجْهَكَ شَطْرَ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۖ وَإِنَّهُ لَلْحَقُّ مِن رَّبِّكَ ۗ وَمَا اللَّهُ بِغَافِلٍ عَمَّا تَعْمَلُونَ
Ary n’aiza n’aiza ivoahanao, dia atodiho any amin’ny Al-Masjid Al-Haram ny tavanao. ary tena marina fa izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao. ary Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataonareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
147Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 147

Surah Al-Baqarah Andininy 147 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy…

Surah Andininy 147/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 145–149. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers