Al-Baqarah · 278/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا اللَّهَ وَذَرُوا مَا بَقِيَ مِنَ الرِّبَا إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۝٢٧٨
Yaaa ayyuhal lazeena aamanut taqul laaha wa zaroo maa baqiya minar ribaaa in kuntum mu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo; ary avelao izay sisa tavela tamin’ny Ribà (zana-bola) raha mpino Ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 276-280 — Al-Baqarah

276يَمْحَقُ اللَّهُ الرِّبَا وَيُرْبِي الصَّدَقَاتِ ۗ وَاللَّهُ لَا يُحِبُّ كُلَّ كَفَّارٍ أَثِيمٍ
Hopotehin’i Allah ny tombontsoan’ny Ribà (fanjanaham-bola), ary hampitomboiny kosa ny tombontsoan’ny fanomezana. Ary i Allah dia tsy tia ireo tsy mpino, mpanota rehetra.
277إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ وَآتَوُا الزَّكَاةَ لَهُمْ أَجْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Tena marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, nanatanteraka ny Soalat (vavaka), ary namoaka ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
278يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا اللَّهَ وَذَرُوا مَا بَقِيَ مِنَ الرِّبَا إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo; ary avelao izay sisa tavela tamin’ny Ribà (zana-bola) raha mpino Ianareo.
279فَإِن لَّمْ تَفْعَلُوا فَأْذَنُوا بِحَرْبٍ مِّنَ اللَّهِ وَرَسُولِهِ ۖ وَإِن تُبْتُمْ فَلَكُمْ رُءُوسُ أَمْوَالِكُمْ لَا تَظْلِمُونَ وَلَا تُظْلَمُونَ
Ary raha tsy manao izany Ianareo, dia raisonareo ny fanambarana ady avy amin’i Allah sy ny Irany. Fa raha mibebaka kosa Ianareo, dia ho Anareo ny renim-bolanareo. Tsy hanambaka ny hafa Ianareo, ary tsy ho ambakaina.
280وَإِن كَانَ ذُو عُسْرَةٍ فَنَظِرَةٌ إِلَىٰ مَيْسَرَةٍ ۚ وَأَن تَصَدَّقُوا خَيْرٌ لَّكُمْ ۖ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ
Ary raha tena tra-pahasahiranana izay Anananareo trosa, dia andraso mandra-pahitany fahamorana, fa ny fanaovanareo fanomezana kosa dia tsara ho Anareo raha fantatrareo izany.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
278Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 278

Surah Al-Baqarah Andininy 278 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo; ary…

Surah Andininy 278/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 276–280. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers