Al-Qasas · 33/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
قَالَ رَبِّ إِنِّي قَتَلْتُ مِنْهُمْ نَفْسًا فَأَخَافُ أَن يَقْتُلُونِ ۝٣٣
Qaala Rabbi innee qataltu minhum nafsan fa akhaafu ai yaqtuloon
📖 Dikany Malagasy
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Izaho dia namono olona iray tamin’izy ireo, koa matahotra sao dia ho vonoin’izy ireo aho.
🎧 Henoy

📜 Andininy 31-35 — Al-Qasas

31وَأَنْ أَلْقِ عَصَاكَ ۖ فَلَمَّا رَآهَا تَهْتَزُّ كَأَنَّهَا جَانٌّ وَلَّىٰ مُدْبِرًا وَلَمْ يُعَقِّبْ ۚ يَا مُوسَىٰ أَقْبِلْ وَلَا تَخَفْ ۖ إِنَّكَ مِنَ الْآمِنِينَ
Ary atsipazo ny tehinao”, ary rehefa hitany nihetsiketsika toy ny biby lava izany, dia nitodi-damosina (nandositra) izy sady tsy nitoditodika. “Ô ry Mosesy ! Manatòna ianao ary aza matahotra, fa ianao dia tena anisan’ny voaaro”.
32اسْلُكْ يَدَكَ فِي جَيْبِكَ تَخْرُجْ بَيْضَاءَ مِنْ غَيْرِ سُوءٍ وَاضْمُمْ إِلَيْكَ جَنَاحَكَ مِنَ الرَّهْبِ ۖ فَذَانِكَ بُرْهَانَانِ مِن رَّبِّكَ إِلَىٰ فِرْعَوْنَ وَمَلَئِهِ ۚ إِنَّهُمْ كَانُوا قَوْمًا فَاسِقِينَ
“Ampidiro amin’ny vakin’ny lambanao avy eo amin’ny tratra ny tananao, hivoaka ho fotsy tsy misy aretina izany. Ary fihino mafy amin’ny tenanao ny tananao mba tsy hatahotra ianao. Izy roa ireo dia porofo avy amin’ny Tomponao ho (entina) any amin’i Faraona sy ireo loholony. Marina fa izy ireo dia vahoaka mpanao asa ratsy”.
33قَالَ رَبِّ إِنِّي قَتَلْتُ مِنْهُمْ نَفْسًا فَأَخَافُ أَن يَقْتُلُونِ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Izaho dia namono olona iray tamin’izy ireo, koa matahotra sao dia ho vonoin’izy ireo aho.
34وَأَخِي هَارُونُ هُوَ أَفْصَحُ مِنِّي لِسَانًا فَأَرْسِلْهُ مَعِيَ رِدْءًا يُصَدِّقُنِي ۖ إِنِّي أَخَافُ أَن يُكَذِّبُونِ
Fa i Harona rahalahiko dia mahafantatra mandaha-teny kokoa noho izaho. Koa alefaso izy miaraka amiko ho mpanampy, hanamarina ny teniko, tena matahotra tokoa aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga”.
35قَالَ سَنَشُدُّ عَضُدَكَ بِأَخِيكَ وَنَجْعَلُ لَكُمَا سُلْطَانًا فَلَا يَصِلُونَ إِلَيْكُمَا ۚ بِآيَاتِنَا أَنتُمَا وَمَنِ اتَّبَعَكُمَا الْغَالِبُونَ
Niteny Izy (Allah) hoe : “Hamafisinay àry ny sandrinao amin’ny alàlan’ny rahalahinao, ary omenay fahefana ianareo roa, ka tsy ahakasika anareo izy ireo. Nohon'ny famantarana (fahagagana) avy Aminay, dia ianareo roa sy izay manaraka anareo no ho mpandresy”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
33Andininy

Fandikana — Al-Qasas 33

Surah Al-Qasas Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Izaho dia namono…

Surah Andininy 33/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers