Al-Qasas · 73/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَمِن رَّحْمَتِهِ جَعَلَ لَكُمُ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ لِتَسْكُنُوا فِيهِ وَلِتَبْتَغُوا مِن فَضْلِهِ وَلَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ۝٧٣
Wa mir rahmatihee ja`ala lakumul laila wannahaara litaskunoo feehi wa litabtaghoo min fadlihee wa la`allakum tashkuroon
📖 Dikany Malagasy
Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy ny andro mba hialanareo sasatra sy hitadiavanareo ny fahasoavany, ary angamba hankasitraka ianareo!
🎧 Henoy

📜 Andininy 71-75 — Al-Qasas

71قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِن جَعَلَ اللَّهُ عَلَيْكُمُ اللَّيْلَ سَرْمَدًا إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ مَنْ إِلَٰهٌ غَيْرُ اللَّهِ يَأْتِيكُم بِضِيَاءٍ ۖ أَفَلَا تَسْمَعُونَ
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny alina hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra hazavana ho anareo ? Moa ve tsy maheno ianareo ?
72قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِن جَعَلَ اللَّهُ عَلَيْكُمُ النَّهَارَ سَرْمَدًا إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ مَنْ إِلَٰهٌ غَيْرُ اللَّهِ يَأْتِيكُم بِلَيْلٍ تَسْكُنُونَ فِيهِ ۖ أَفَلَا تُبْصِرُونَ
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny andro hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra ho anareo ny alina izay mba hialanareo sasatra ? Moa ve tsy mahita ianareo ?
73وَمِن رَّحْمَتِهِ جَعَلَ لَكُمُ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ لِتَسْكُنُوا فِيهِ وَلِتَبْتَغُوا مِن فَضْلِهِ وَلَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy ny andro mba hialanareo sasatra sy hitadiavanareo ny fahasoavany, ary angamba hankasitraka ianareo!
74وَيَوْمَ يُنَادِيهِمْ فَيَقُولُ أَيْنَ شُرَكَائِيَ الَّذِينَ كُنتُمْ تَزْعُمُونَ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”
75وَنَزَعْنَا مِن كُلِّ أُمَّةٍ شَهِيدًا فَقُلْنَا هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ فَعَلِمُوا أَنَّ الْحَقَّ لِلَّهِ وَضَلَّ عَنْهُم مَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ
Ary hamoaka vavolombelona isaky ny vahoaka izahay, ka hiteny izahay hoe : “Ento aty ny porofonareo !”. Ka ho fantatr’izy ireo fa ny fahamarinana dia an’I Allah; ary handao azy ireo izay noforonin’izy ireo.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
73Andininy

Fandikana — Al-Qasas 73

Surah Al-Qasas Andininy 73 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy…

Surah Andininy 73/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 71–75. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers