Iloaran'i Imrana · 49/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
وَرَسُولًا إِلَىٰ بَنِي إِسْرَائِيلَ أَنِّي قَدْ جِئْتُكُم بِآيَةٍ مِّن رَّبِّكُمْ ۖ أَنِّي أَخْلُقُ لَكُم مِّنَ الطِّينِ كَهَيْئَةِ الطَّيْرِ فَأَنفُخُ فِيهِ فَيَكُونُ طَيْرًا بِإِذْنِ اللَّهِ ۖ وَأُبْرِئُ الْأَكْمَهَ وَالْأَبْرَصَ وَأُحْيِي الْمَوْتَىٰ بِإِذْنِ اللَّهِ ۖ وَأُنَبِّئُكُم بِمَا تَأْكُلُونَ وَمَا تَدَّخِرُونَ فِي بُيُوتِكُمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَةً لَّكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۝٤٩
Wa Rasoolan ilaa Baneee Israaa`eela annee qad ji`tukum bi Aayatim mir Rabbikum annee akhluqu lakum minatteeni kahai `atittairi fa anfukhu feehi fayakoonu tairam bi iznil laahi wa ubri`ul akmaha wal abrasa wa uhyil mawtaa bi iznil laahi wa unabbi`ukum bimaa taakuloona wa maa taddakhiroona fee buyootikum; inna fee zaalika la Aayatal lakum in kuntum mu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe : “Lazaiko marina fa tonga eto aminareo aho miaraka amin’ny porofo famantarana avy amin’ny Tomponareo. Fa izaho hamboatra ho anareo avy amin’ny fotaka natao endrika vorona, avy eo dia ho tsofiko izany; ary ho tonga vorona noho ny herin’Allah. Hampahiratra ny jamba aho, ary hanasitrana ny boka, hamelona ny maty amin’ny herin’Allah aho. Hampahafantatra anareo izay ho haninareo, sy izay hangoninareo any an-tokantranonareo ihany koa aho. Lazaiko marina aminareo, fa ao anatin’izany dia tena misy famantarana ho anareo, raha tena mpino tokoa ianareo,
🎧 Henoy

📜 Andininy 47-51 — Iloaran'i Imrana

47قَالَتْ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي وَلَدٌ وَلَمْ يَمْسَسْنِي بَشَرٌ ۖ قَالَ كَذَٰلِكِ اللَّهُ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ إِذَا قَضَىٰ أَمْرًا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُ كُن فَيَكُونُ
Niteny i Mariamo : “ Tompo ô ! Ahoana Aho no hanan-janaka lahy ka nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no Izy ! Allah dia mamorona izay sitrany. Raha mandidy zavatra Izy, dia miteny Aminy fotsiny Izy ny hoe :” Misia ", dia misy tokoa izany.
48وَيُعَلِّمُهُ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَالتَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ
Ary Izy (Allah) dia hampianatra Azy (Issa) ny Boky, sy ny Fahendrena, ary ny Taoraty sy ny Evanjely.
49وَرَسُولًا إِلَىٰ بَنِي إِسْرَائِيلَ أَنِّي قَدْ جِئْتُكُم بِآيَةٍ مِّن رَّبِّكُمْ ۖ أَنِّي أَخْلُقُ لَكُم مِّنَ الطِّينِ كَهَيْئَةِ الطَّيْرِ فَأَنفُخُ فِيهِ فَيَكُونُ طَيْرًا بِإِذْنِ اللَّهِ ۖ وَأُبْرِئُ الْأَكْمَهَ وَالْأَبْرَصَ وَأُحْيِي الْمَوْتَىٰ بِإِذْنِ اللَّهِ ۖ وَأُنَبِّئُكُم بِمَا تَأْكُلُونَ وَمَا تَدَّخِرُونَ فِي بُيُوتِكُمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَةً لَّكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe : “Lazaiko marina fa tonga eto aminareo aho miaraka amin’ny porofo famantarana avy amin’ny Tomponareo. Fa izaho hamboatra ho anareo avy amin’ny fotaka natao endrika vorona, avy eo dia ho tsofiko izany; ary ho tonga vorona noho ny herin’Allah. Hampahiratra ny jamba aho, ary hanasitrana ny boka, hamelona ny maty amin’ny herin’Allah aho. Hampahafantatra anareo izay ho haninareo, sy izay hangoninareo any an-tokantranonareo ihany koa aho. Lazaiko marina aminareo, fa ao anatin’izany dia tena misy famantarana ho anareo, raha tena mpino tokoa ianareo,
50وَمُصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيَّ مِنَ التَّوْرَاةِ وَلِأُحِلَّ لَكُم بَعْضَ الَّذِي حُرِّمَ عَلَيْكُمْ ۚ وَجِئْتُكُم بِآيَةٍ مِّن رَّبِّكُمْ فَاتَّقُوا اللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary hanamarina izay ao amin’ny Taoraty teo alohako, ary hanome alàlana Anareo ny amin’ny sasany izay voarara Taminareo Aho. Ary tonga Aminareo Aho miaraka amin’ny famantarana avy amin’ny Tomponareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary ankatoavinareo Aho.
51إِنَّ اللَّهَ رَبِّي وَرَبُّكُمْ فَاعْبُدُوهُ ۗ هَٰذَا صِرَاطٌ مُّسْتَقِيمٌ
Tena marina fa i Allah dia Tompoko sady Tomponareo ka tompoinareo Izy, fa izany no làla-mahitsy.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
49Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 49

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 49 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo…

Surah Andininy 49/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 47–51. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers