Iloaran'i Imrana · 77/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
إِنَّ الَّذِينَ يَشْتَرُونَ بِعَهْدِ اللَّهِ وَأَيْمَانِهِمْ ثَمَنًا قَلِيلًا أُولَٰئِكَ لَا خَلَاقَ لَهُمْ فِي الْآخِرَةِ وَلَا يُكَلِّمُهُمُ اللَّهُ وَلَا يَنظُرُ إِلَيْهِمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَلَا يُزَكِّيهِمْ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٧٧
Innal lazeena yashtaroona bi`ahdil laahi wa aymaanihim samanan qaleelan ulaaa`ika laa khalaaqa lahum fil Aakhirati wa laa yukallimuhumul laahu wa laa yanzuru ilaihim Yawmal Qiyaamati wa laa yuzakkeehim wa lahum `azabun `aleem
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.

🎧 Henoy


📜 Andininy 75-79 — Iloaran'i Imrana

75۞ وَمِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ مَنْ إِن تَأْمَنْهُ بِقِنطَارٍ يُؤَدِّهِ إِلَيْكَ وَمِنْهُم مَّنْ إِن تَأْمَنْهُ بِدِينَارٍ لَّا يُؤَدِّهِ إِلَيْكَ إِلَّا مَا دُمْتَ عَلَيْهِ قَائِمًا ۗ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَيْسَ عَلَيْنَا فِي الْأُمِّيِّينَ سَبِيلٌ وَيَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ الْكَذِبَ وَهُمْ يَعْلَمُونَ
Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao fitokiana amin’ny singam-bolamena arivo dia mamerina izany araka ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina dinary iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no nilaza: “Tsy manandraharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay”. Ary milaza lainga manohitra an’Allah izy ireny, kanefa dia mahalàla.
76بَلَىٰ مَنْ أَوْفَىٰ بِعَهْدِهِ وَاتَّقَىٰ فَإِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُتَّقِينَ
Tsy izany anefa, fa na iza na iza nanatanteraka ny fifanekeny sy fatahorany an’i Allah…. Marina tokoa fa i Allah dia tia ireo manam-patahorana.
77إِنَّ الَّذِينَ يَشْتَرُونَ بِعَهْدِ اللَّهِ وَأَيْمَانِهِمْ ثَمَنًا قَلِيلًا أُولَٰئِكَ لَا خَلَاقَ لَهُمْ فِي الْآخِرَةِ وَلَا يُكَلِّمُهُمُ اللَّهُ وَلَا يَنظُرُ إِلَيْهِمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَلَا يُزَكِّيهِمْ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
78وَإِنَّ مِنْهُمْ لَفَرِيقًا يَلْوُونَ أَلْسِنَتَهُم بِالْكِتَابِ لِتَحْسَبُوهُ مِنَ الْكِتَابِ وَمَا هُوَ مِنَ الْكِتَابِ وَيَقُولُونَ هُوَ مِنْ عِندِ اللَّهِ وَمَا هُوَ مِنْ عِندِ اللَّهِ وَيَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ الْكَذِبَ وَهُمْ يَعْلَمُونَ
Hamafisina, fa misy andiany amin’izy ireny no mamadika ny lelany eo am-pamakiana ilay boky, mba hiheveranareo izany ho avy ao amin’ilay boky tokoa. Tsia! Tsy avy amin’ilay boky akory izany, ary milaza ihany koa izy ireny fa ho e: “Avy amin’Allah izany”, Tsia! Tsy avy amin’Allah velively izany. Ary dia milaza lainga manohitra an’Allah izy ireo, ary fantany izany.
79مَا كَانَ لِبَشَرٍ أَن يُؤْتِيَهُ اللَّهُ الْكِتَابَ وَالْحُكْمَ وَالنُّبُوَّةَ ثُمَّ يَقُولَ لِلنَّاسِ كُونُوا عِبَادًا لِّي مِن دُونِ اللَّهِ وَلَٰكِن كُونُوا رَبَّانِيِّينَ بِمَا كُنتُمْ تُعَلِّمُونَ الْكِتَابَ وَبِمَا كُنتُمْ تَدْرُسُونَ
Tsy mbola nisy olombelona nomen’Allah ny boky sy ny fahendrena, ary ny faminaniana ka mahasahy miteny amin’ny olona hoe: “Manompoa ahy ianareo, fa aza manompo an’Allah”, fa hiteny kosa izy : “Aoka ianareo hifantoka tanteraka amin’ny Tompo Zanahary, noho ianareo nampianatra ilay boky izay nandalinanareo izany”.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
77Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 77

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 77 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i…

Surah Andininy 77/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 75–79. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers