Al-Ahzab · 39/73
Fandikana Fanononana — Al-Ahzab
الَّذِينَ يُبَلِّغُونَ رِسَالَاتِ اللَّهِ وَيَخْشَوْنَهُ وَلَا يَخْشَوْنَ أَحَدًا إِلَّا اللَّهَ ۗ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ حَسِيبًا ۝٣٩
Allazeena yuballighoona Risaalaatil laahi wa yakhshaw nahoo wa laa yakkhshawna ahadan illal laah; wa kafaa billaahi Haseebaa
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay mampita ireo hafatr’i Allah, sy matahotra Azy ka tsy matahotra na iza na iza afa-tsy Allah. Ary Allah dia ampy hitsara (ny rehetra).
🎧 Henoy

📜 Andininy 37-41 — Al-Ahzab

37وَإِذْ تَقُولُ لِلَّذِي أَنْعَمَ اللَّهُ عَلَيْهِ وَأَنْعَمْتَ عَلَيْهِ أَمْسِكْ عَلَيْكَ زَوْجَكَ وَاتَّقِ اللَّهَ وَتُخْفِي فِي نَفْسِكَ مَا اللَّهُ مُبْدِيهِ وَتَخْشَى النَّاسَ وَاللَّهُ أَحَقُّ أَن تَخْشَاهُ ۖ فَلَمَّا قَضَىٰ زَيْدٌ مِّنْهَا وَطَرًا زَوَّجْنَاكَهَا لِكَيْ لَا يَكُونَ عَلَى الْمُؤْمِنِينَ حَرَجٌ فِي أَزْوَاجِ أَدْعِيَائِهِمْ إِذَا قَضَوْا مِنْهُنَّ وَطَرًا ۚ وَكَانَ أَمْرُ اللَّهِ مَفْعُولًا
Raha niteny tamin’ilay nofenoin’i Allah fahasoavana ianao sy nofenoinao fahasoavana ihany koa, hoe: “Tazòny ho anao ny vadinao ary matahora an’i Allah ianao”. Ka nafeninao tao aminao izay hasehon’i Allah an-karihary. Ary natahotra ireo olona ianao, nefa Allah no mendrika atahoranao indrindra. Ary raha nitsahatra tsy nifandray taminy intsony (nisara-panambadiana) i Zayd, dia nasainay nalainao ho vady izy, mba tsy hisian’ny sakana ho an’ireo mpino amin’ny fanambadiany ireo vehivavy vadin’ireo zaza natsangany, rehefa nitsahatra tanteraka ny fifandraisana nisy tamin’izy ireo. Fa ny baikon’i Allah dia tsy maintsy tanteraka.
38مَّا كَانَ عَلَى النَّبِيِّ مِنْ حَرَجٍ فِيمَا فَرَضَ اللَّهُ لَهُ ۖ سُنَّةَ اللَّهِ فِي الَّذِينَ خَلَوْا مِن قَبْلُ ۚ وَكَانَ أَمْرُ اللَّهِ قَدَرًا مَّقْدُورًا
Tsy misy fanakianana ny Mpaminany, ny amin’izay nandidian’i Allah azy, izany no sori-dàlan’i Allah tamin’ireo izay niaina teo aloha; fa ny didin’i Allah dia lalàna efa voalahatra.
39الَّذِينَ يُبَلِّغُونَ رِسَالَاتِ اللَّهِ وَيَخْشَوْنَهُ وَلَا يَخْشَوْنَ أَحَدًا إِلَّا اللَّهَ ۗ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ حَسِيبًا
Ireo izay mampita ireo hafatr’i Allah, sy matahotra Azy ka tsy matahotra na iza na iza afa-tsy Allah. Ary Allah dia ampy hitsara (ny rehetra).
40مَّا كَانَ مُحَمَّدٌ أَبَا أَحَدٍ مِّن رِّجَالِكُمْ وَلَٰكِن رَّسُولَ اللَّهِ وَخَاتَمَ النَّبِيِّينَ ۗ وَكَانَ اللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمًا
Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany izy. Ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra.
41يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اذْكُرُوا اللَّهَ ذِكْرًا كَثِيرًا
Ô ianareo izay mino! Tsarovinareo Allah amin’ny fahatsiarovana mandrakariva.
Al-AhzabFizahan-takila Koraña
73Andininy
MedinanRevelation
39Andininy

Fandikana — Al-Ahzab 39

Surah Al-Ahzab Andininy 39 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay mampita ireo hafatr’i Allah, sy matahotra Azy ka…

Surah Andininy 39/73 — Al-Ahzab الأحزاب (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahzab Henoy, Al-Ahzab Fandikana, Al-Ahzab mp3, Al-Ahzab pdf. Andininy 37–41. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers