An-Nisa · 37/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
الَّذِينَ يَبْخَلُونَ وَيَأْمُرُونَ النَّاسَ بِالْبُخْلِ وَيَكْتُمُونَ مَا آتَاهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۗ وَأَعْتَدْنَا لِلْكَافِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا ۝٣٧
Allazeena yabkhaloona wa yaamuroonan naasa bilbukhli wa yaktumoona maaa aataahu mullaahu min fadlih; wa a`tadnaa lilkaafireena `azaabam muheenaa
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary manafina ireo izay nomen’I Allah azy amin’ny fahasoavany. Ary nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala-baraka.
🎧 Henoy

📜 Andininy 35-39 — An-Nisa

35وَإِنْ خِفْتُمْ شِقَاقَ بَيْنِهِمَا فَابْعَثُوا حَكَمًا مِّنْ أَهْلِهِ وَحَكَمًا مِّنْ أَهْلِهَا إِن يُرِيدَا إِصْلَاحًا يُوَفِّقِ اللَّهُ بَيْنَهُمَا ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيمًا خَبِيرًا
Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy, sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo. Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’I Allah ny momba azy roa. Tena marina fa I Allah dia Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
36۞ وَاعْبُدُوا اللَّهَ وَلَا تُشْرِكُوا بِهِ شَيْئًا ۖ وَبِالْوَالِدَيْنِ إِحْسَانًا وَبِذِي الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَالْجَارِ ذِي الْقُرْبَىٰ وَالْجَارِ الْجُنُبِ وَالصَّاحِبِ بِالْجَنبِ وَابْنِ السَّبِيلِ وَمَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ مَن كَانَ مُخْتَالًا فَخُورًا
Ary tompoinareo I Allah, ary aza atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy. Ary manaova ny tsara amin’ireo ray aman-dreninareo, ireo havana akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ny havana mpifanolo-body rindrina, ny mpifanolo-body rindrina tsy havana (na ny havana lavitra), ny namana akaiky, ny mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo andevo eo am-pelatananareo. Tena marina fa I Allah dia tsy tia ny mpanambony tena sy ny mpirehareha.
37الَّذِينَ يَبْخَلُونَ وَيَأْمُرُونَ النَّاسَ بِالْبُخْلِ وَيَكْتُمُونَ مَا آتَاهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۗ وَأَعْتَدْنَا لِلْكَافِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا
Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary manafina ireo izay nomen’I Allah azy amin’ny fahasoavany. Ary nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala-baraka.
38وَالَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمْ رِئَاءَ النَّاسِ وَلَا يُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَلَا بِالْيَوْمِ الْآخِرِ ۗ وَمَن يَكُنِ الشَّيْطَانُ لَهُ قَرِينًا فَسَاءَ قَرِينًا
Ary ireo izay mamoaka ny hareny mba ho hitan’ny olona, ary tsy mino an'I Allah sy ny andro farany. Ary n'iza n'iza maka ny satana ho namana akaiky, tena namana ratsy tokoa izany !
39وَمَاذَا عَلَيْهِمْ لَوْ آمَنُوا بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَأَنفَقُوا مِمَّا رَزَقَهُمُ اللَّهُ ۚ وَكَانَ اللَّهُ بِهِمْ عَلِيمًا
Ary inona moa no manjò azy ireo, raha mba nino an’I Allah sy ny andro farany izy ireo, ary namoaka (ho an’I Allah) amin’izay anjara nomeny azy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia Mahalala tsara izay ataon’izy ireo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
37Andininy

Fandikana — An-Nisa 37

Surah An-Nisa Andininy 37 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary…

Surah Andininy 37/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 35–39. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers