Al-An'am · 27/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ وُقِفُوا عَلَى النَّارِ فَقَالُوا يَا لَيْتَنَا نُرَدُّ وَلَا نُكَذِّبَ بِآيَاتِ رَبِّنَا وَنَكُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ ۝٢٧
Wa law taraaa iz wauqifoo `alan Naari faqaaloo yaa laitanaa nuraddu wa laa nukaz ziba bi Aayaati Rabbinaa wa nakoona minal mu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Indrisy ! Raha mba haverina izahay dia tsy hilaza lainga ireo fanambaran’ny Tomponay ary ho anisan’ireo olona mpino izahay.

🎧 Henoy


📜 Andininy 25-29 — Al-An'am

25وَمِنْهُم مَّن يَسْتَمِعُ إِلَيْكَ ۖ وَجَعَلْنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمْ أَكِنَّةً أَن يَفْقَهُوهُ وَفِي آذَانِهِمْ وَقْرًا ۚ وَإِن يَرَوْا كُلَّ آيَةٍ لَّا يُؤْمِنُوا بِهَا ۚ حَتَّىٰ إِذَا جَاءُوكَ يُجَادِلُونَكَ يَقُولُ الَّذِينَ كَفَرُوا إِنْ هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ
Ary misy amin’izy ireo izay mihaino anao, nefa nasianay sarona ny fon’izy ireo; mba tsy ahazoan’izy ireo azy, ary voatampina ny sofin’izy ireo. Na dia mahita ireo porofo rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany velively. Rehefa tonga hiady hevitra aminao izy ireo dia hiteny ireo izay tsy nino manao hoe : “Tsy inona izany afa-tsy anganon’ireo olona taloha”.
26وَهُمْ يَنْهَوْنَ عَنْهُ وَيَنْأَوْنَ عَنْهُ ۖ وَإِن يُهْلِكُونَ إِلَّا أَنفُسَهُمْ وَمَا يَشْعُرُونَ
Izy ireo dia mandrara ny olona tsy hanatona azy no sady manalavitra azy.Tsy manapotika afa-tsy ny tenany ihany, saingy tsy tsapan’izy ireo izany.
27وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ وُقِفُوا عَلَى النَّارِ فَقَالُوا يَا لَيْتَنَا نُرَدُّ وَلَا نُكَذِّبَ بِآيَاتِ رَبِّنَا وَنَكُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Indrisy ! Raha mba haverina izahay dia tsy hilaza lainga ireo fanambaran’ny Tomponay ary ho anisan’ireo olona mpino izahay.
28بَلْ بَدَا لَهُم مَّا كَانُوا يُخْفُونَ مِن قَبْلُ ۖ وَلَوْ رُدُّوا لَعَادُوا لِمَا نُهُوا عَنْهُ وَإِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ
Tsia ! Indro fa hiseho amin’izy ireo izay nafeniny teo aloha. Ary raha naverina (any ambonin’ny tany) izy ireo dia tsy maintsy mbola hiverina amin’izay nandrarana azy ireo ihany. Ary tena marina fa izy ireo dia mpandainga.
29وَقَالُوا إِنْ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا الدُّنْيَا وَمَا نَحْنُ بِمَبْعُوثِينَ
Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ary izahay dia tsy hatsangana amin’ny maty velively.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
27Andininy

Fandikana — Al-An'am 27

Surah Al-An'am Andininy 27 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe,…

Surah Andininy 27/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 25–29. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers