Al-An'am · 29/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَقَالُوا إِنْ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا الدُّنْيَا وَمَا نَحْنُ بِمَبْعُوثِينَ ۝٢٩
Wa qaalooo in hiya illaa hayaatunad dunyaa wa maa nahnu bimab`ooseen
📖 Dikany Malagasy
Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ary izahay dia tsy hatsangana amin’ny maty velively.
🎧 Henoy

📜 Andininy 27-31 — Al-An'am

27وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ وُقِفُوا عَلَى النَّارِ فَقَالُوا يَا لَيْتَنَا نُرَدُّ وَلَا نُكَذِّبَ بِآيَاتِ رَبِّنَا وَنَكُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Indrisy ! Raha mba haverina izahay dia tsy hilaza lainga ireo fanambaran’ny Tomponay ary ho anisan’ireo olona mpino izahay.
28بَلْ بَدَا لَهُم مَّا كَانُوا يُخْفُونَ مِن قَبْلُ ۖ وَلَوْ رُدُّوا لَعَادُوا لِمَا نُهُوا عَنْهُ وَإِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ
Tsia ! Indro fa hiseho amin’izy ireo izay nafeniny teo aloha. Ary raha naverina (any ambonin’ny tany) izy ireo dia tsy maintsy mbola hiverina amin’izay nandrarana azy ireo ihany. Ary tena marina fa izy ireo dia mpandainga.
29وَقَالُوا إِنْ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا الدُّنْيَا وَمَا نَحْنُ بِمَبْعُوثِينَ
Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ary izahay dia tsy hatsangana amin’ny maty velively.
30وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ وُقِفُوا عَلَىٰ رَبِّهِمْ ۚ قَالَ أَلَيْسَ هَٰذَا بِالْحَقِّ ۚ قَالُوا بَلَىٰ وَرَبِّنَا ۚ قَالَ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْفُرُونَ
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo anatrehan’ny Tompony. Hiteny Izy amin'izy ireo manao hoe : “Moa va tsy izao no fahamarinana?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Eny ! Ary mianiana amin’ny Tomponay izahay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ka andramonareo àry ny sazy ho setrin'ny fikomianareo.
31قَدْ خَسِرَ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِلِقَاءِ اللَّهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءَتْهُمُ السَّاعَةُ بَغْتَةً قَالُوا يَا حَسْرَتَنَا عَلَىٰ مَا فَرَّطْنَا فِيهَا وَهُمْ يَحْمِلُونَ أَوْزَارَهُمْ عَلَىٰ ظُهُورِهِمْ ۚ أَلَا سَاءَ مَا يَزِرُونَ
Tena maty antoka tokoa ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’I Allah. Ary raha tonga tampoka amin’izy ireo ny ora, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Loza ho anay amin’ny tsirambina izay nataonay momba izany ! Ary izy ireo dia hitondra ny vesatra (ny fahotany) ao an-damosiny. Ary tena ratsy tokoa izany vesatra entiny izany !
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
29Andininy

Fandikana — Al-An'am 29

Surah Al-An'am Andininy 29 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary hoy izy ireo : “Tsy misy ho anay afa-tsy…

Surah Andininy 29/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 27–31. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers