Houd · 45/123
Fandikana Fanononana — Houd
وَنَادَىٰ نُوحٌ رَّبَّهُ فَقَالَ رَبِّ إِنَّ ابْنِي مِنْ أَهْلِي وَإِنَّ وَعْدَكَ الْحَقُّ وَأَنتَ أَحْكَمُ الْحَاكِمِينَ ۝٤٥
Wa naadaa noohur Rabbahoo faqaala Rabbi innabnee min ahlee wa inna wa`dakal haqqu wa Anta ahkamul haakimeen
📖 Dikany Malagasy
Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe : " Tompoko oh ! Tena marina fa ny zanako dia isan’ny fianakaviako ary ny fampanantenanao dia marina tokoa. Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
🎧 Henoy

📜 Andininy 43-47 — Houd

43قَالَ سَآوِي إِلَىٰ جَبَلٍ يَعْصِمُنِي مِنَ الْمَاءِ ۚ قَالَ لَا عَاصِمَ الْيَوْمَ مِنْ أَمْرِ اللَّهِ إِلَّا مَن رَّحِمَ ۚ وَحَالَ بَيْنَهُمَا الْمَوْجُ فَكَانَ مِنَ الْمُغْرَقِينَ
Namaly izy ka nanao hoe : "Handeha hialoka amin’ny tendrombohitra iray aho, izay hiaro ahy amin’ny rano”. Namaly azy i Noa (A.S) hoe : "Anio dia tsy misy mpiaro afaka manakana ny didin’i Allah afa-tsy izay nomeny famindram-po ihany”. Ary nanafotra teo anelanelan’izy roa ny onja, ary izy dia anisan’ireo rendrika.
44وَقِيلَ يَا أَرْضُ ابْلَعِي مَاءَكِ وَيَا سَمَاءُ أَقْلِعِي وَغِيضَ الْمَاءُ وَقُضِيَ الْأَمْرُ وَاسْتَوَتْ عَلَى الْجُودِيِّ ۖ وَقِيلَ بُعْدًا لِّلْقَوْمِ الظَّالِمِينَ
. Ary toy izao no voalaza : " Oh ry tany ! tsetsefo ny ranonao, ary ianao ry lanitra, mijanona amin’izay ”. Ka nihemotra ny rano. Fa tanteraka ny didy, ary nipetraka teo ambonin’ny al-jodii (anaran’ny tendrombohitra) ilay sambo fiara, ary nisy nilaza nanao hoe : " Enga anie hanjavona avokoa ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ! ”
45وَنَادَىٰ نُوحٌ رَّبَّهُ فَقَالَ رَبِّ إِنَّ ابْنِي مِنْ أَهْلِي وَإِنَّ وَعْدَكَ الْحَقُّ وَأَنتَ أَحْكَمُ الْحَاكِمِينَ
Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe : " Tompoko oh ! Tena marina fa ny zanako dia isan’ny fianakaviako ary ny fampanantenanao dia marina tokoa. Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
46قَالَ يَا نُوحُ إِنَّهُ لَيْسَ مِنْ أَهْلِكَ ۖ إِنَّهُ عَمَلٌ غَيْرُ صَالِحٍ ۖ فَلَا تَسْأَلْنِ مَا لَيْسَ لَكَ بِهِ عِلْمٌ ۖ إِنِّي أَعِظُكَ أَن تَكُونَ مِنَ الْجَاهِلِينَ
Niteny Izy (Allah) : " Oh ry Noa ! tsy isan’ny fianakavianao Izy satria nanao asa mamparikoriko. Aza mangataka Amiko intsony Ianao amin’izay tsy anananao fahalalana. Mananatra Anao Aho mba tsy ho isan’ireo tsy Mahalala ”.
47قَالَ رَبِّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ أَنْ أَسْأَلَكَ مَا لَيْسَ لِي بِهِ عِلْمٌ ۖ وَإِلَّا تَغْفِرْ لِي وَتَرْحَمْنِي أَكُن مِّنَ الْخَاسِرِينَ
Namaly i Noa hoe : " Tompo o ! Mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fitalahoako izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy mamela ny heloko ianao sy tsy mamindra fo amiko, dia ho isan’ireo very aho ”.
HoudFizahan-takila Koraña
123Andininy
MeccanRevelation
45Andininy

Fandikana — Houd 45

Surah Houd Andininy 45 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe…

Surah Andininy 45/123 — Houd هود (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Houd Henoy, Houd Fandikana, Houd mp3, Houd pdf. Andininy 43–47. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers