Al-Isra · 103/111
Fandikana Fanononana — Surah Al-Isra
فَأَرَادَ أَن يَسْتَفِزَّهُم مِّنَ الْأَرْضِ فَأَغْرَقْنَاهُ وَمَن مَّعَهُ جَمِيعًا ۝١٠٣
Fa araada any yastafizzahum minal ardi fa aghraqnaahu wa mam ma`ahoo jamee`aa
📖 Dikany Malagasy
Notadiavin’i Faraona ho roahina hiala tamin’ny tany izy ireo. Ka dia narendrikay (ho maty an-drano) izy sy izay rehetra niaraka taminy.

🎧 Henoy


📜 Andininy 101-105 — Surah Al-Isra

101وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَىٰ تِسْعَ آيَاتٍ بَيِّنَاتٍ ۖ فَاسْأَلْ بَنِي إِسْرَائِيلَ إِذْ جَاءَهُمْ فَقَالَ لَهُ فِرْعَوْنُ إِنِّي لَأَظُنُّكَ يَا مُوسَىٰ مَسْحُورًا
Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny fahagagana sivy miharihary, koa anontanio àry ireo zanak’Israely nony tonga tamin’izy ireo izy ! Ka niteny taminy i Faraona nanao hoe : “Ry Mosesy ! Tena mihevitra aho, fa voan’ny famosaviana ianao”.
102قَالَ لَقَدْ عَلِمْتَ مَا أَنزَلَ هَٰؤُلَاءِ إِلَّا رَبُّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ بَصَائِرَ وَإِنِّي لَأَظُنُّكَ يَا فِرْعَوْنُ مَثْبُورًا
Niteny izy (Mosa) : “Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny (fahagagana) ireny afa-tsy ny Tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona !”
103فَأَرَادَ أَن يَسْتَفِزَّهُم مِّنَ الْأَرْضِ فَأَغْرَقْنَاهُ وَمَن مَّعَهُ جَمِيعًا
Notadiavin’i Faraona ho roahina hiala tamin’ny tany izy ireo. Ka dia narendrikay (ho maty an-drano) izy sy izay rehetra niaraka taminy.
104وَقُلْنَا مِن بَعْدِهِ لِبَنِي إِسْرَائِيلَ اسْكُنُوا الْأَرْضَ فَإِذَا جَاءَ وَعْدُ الْآخِرَةِ جِئْنَا بِكُمْ لَفِيفًا
Ary niteny Izahay, taorian’izany, tamin’ireo zanak’Israely nanao hoe : “Honenanareo ny tany !”. Ary raha tonga ny fampanantenana ny (fiainana) any ankoatra, dia hataonay tonga maro ianareo.
105وَبِالْحَقِّ أَنزَلْنَاهُ وَبِالْحَقِّ نَزَلَ ۗ وَمَا أَرْسَلْنَاكَ إِلَّا مُبَشِّرًا وَنَذِيرًا
Ary tamim-pahamarinana no nampidinanay azy (Kor’any), ary nidina niaraka tamin’ny fahamarinana izy, ary tsy nalefanay ianao raha tsy ho mpilaza (vaovao mahafaly) sy ho mpampitandrina.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
103Andininy

Fandikana — Al-Isra 103

Surah Al-Isra Andininy 103 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Notadiavin’i Faraona ho roahina hiala tamin’ny tany izy ireo. Ka…

Surah Andininy 103/111 — Surah Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Isra Henoy, Surah Al-Isra Fandikana, Surah Al-Isra mp3, Surah Al-Isra pdf. Andininy 101–105. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers