Al-Isra · 98/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
ذَٰلِكَ جَزَاؤُهُم بِأَنَّهُمْ كَفَرُوا بِآيَاتِنَا وَقَالُوا أَإِذَا كُنَّا عِظَامًا وَرُفَاتًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ خَلْقًا جَدِيدًا ۝٩٨
Zaalika jazaa`uhum biannahum kafaroo bi aayaatinaa wa qaalooo `a izaa kunnaa `izaamanw wa rufaatan`a innaa lamaboosoona khalqan jadeedaa
📖 Dikany Malagasy
Toy izany no ho sazin’izy ireo, nohon'ny tsy finoan’izy ireo ny fanambarana avy aty Aminay, ary miteny koa izy ireo manao hoe : “Raha lasa taolana sy vovoka izahay, moa ve hatsangana amin’ny fahariana vaovao indray ?”
🎧 Henoy

📜 Andininy 96-100 — Al-Isra

96قُلْ كَفَىٰ بِاللَّهِ شَهِيدًا بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ ۚ إِنَّهُ كَانَ بِعِبَادِهِ خَبِيرًا بَصِيرًا
Teneno hoe : “Allah dia ampy ho vavolombelona eo amiko sy aminareo. Marina tokoa fa Izy dia mahalala sy mahita ireo mpanompony.
97وَمَن يَهْدِ اللَّهُ فَهُوَ الْمُهْتَدِ ۖ وَمَن يُضْلِلْ فَلَن تَجِدَ لَهُمْ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِهِ ۖ وَنَحْشُرُهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ عَلَىٰ وُجُوهِهِمْ عُمْيًا وَبُكْمًا وَصُمًّا ۖ مَّأْوَاهُمْ جَهَنَّمُ ۖ كُلَّمَا خَبَتْ زِدْنَاهُمْ سَعِيرًا
Ary izay tarihin’I Allah lalana, dia izy no voatari-dalana tsara. Fa izay vereziny kosa, dia tsy hahita mpiahy ho azy ireo ianao ankoatr'Azy (Allah). Ary havorinay izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana no sady ho tarihina amin’ny tavany izy ireo, ho jamba, ho moana, ho marenina. Ary ny afobe no hialofan’izy ireo, ka isaky ny mihena ny afo dia haredaredanay mivaivay ho azy ireo ny lelan’afo.
98ذَٰلِكَ جَزَاؤُهُم بِأَنَّهُمْ كَفَرُوا بِآيَاتِنَا وَقَالُوا أَإِذَا كُنَّا عِظَامًا وَرُفَاتًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ خَلْقًا جَدِيدًا
Toy izany no ho sazin’izy ireo, nohon'ny tsy finoan’izy ireo ny fanambarana avy aty Aminay, ary miteny koa izy ireo manao hoe : “Raha lasa taolana sy vovoka izahay, moa ve hatsangana amin’ny fahariana vaovao indray ?”
99۞ أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ قَادِرٌ عَلَىٰ أَن يَخْلُقَ مِثْلَهُمْ وَجَعَلَ لَهُمْ أَجَلًا لَّا رَيْبَ فِيهِ فَأَبَى الظَّالِمُونَ إِلَّا كُفُورًا
Tsy hitan’izy ireo ve, fa Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany dia afaka hamorona ny mitovy amin’izy ireo ?Ary nametraka fe-potoana ho azy ireo Izy, izay tsy hisalasalana ny amin’izany, nefa mandà ireo mpanao ny tsy rariny, afa-tsy ny tsy finoana.
100قُل لَّوْ أَنتُمْ تَمْلِكُونَ خَزَائِنَ رَحْمَةِ رَبِّي إِذًا لَّأَمْسَكْتُمْ خَشْيَةَ الْإِنفَاقِ ۚ وَكَانَ الْإِنسَانُ قَتُورًا
Teneno hoe : “Raha ianareo no nanana ny haren’ny famindram-pon’I Tompoko, dia ho nofihininareo mafy tokoa, nohon'ny tahotra amin’ny fandaniana. Ary ny olombelona dia tena mahihitra.”
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
98Andininy

Fandikana — Al-Isra 98

Surah Al-Isra Andininy 98 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Toy izany no ho sazin’izy ireo, nohon'ny tsy finoan’izy ireo…

Surah Andininy 98/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 96–100. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers