Al-Baqarah · 84/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَكُمۡ لَا تَسۡفِكُونَ دِمَآءَكُمۡ وَلَا تُخۡرِجُونَ أَنفُسَكُم مِّن دِيَٰرِكُمۡ ثُمَّ أَقۡرَرۡتُمۡ وَأَنتُمۡ تَشۡهَدُونَ  ۝٨٤
Wa iz akhaznaa meesaa qakum laa tasfikoona dimaaa`akum wa laa tukrijoona anfusakum min diyaarikum summa aqrartum wa antum tashhadoon
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay fa tsy hifandatsa-drà ianareo ary tsy hifandroaka avy amin'ny fonenanareo; dia niaiky izany ianareo ary nijoro ho vavolombelona.
🎧 Henoy

📜 Andininy 82-86 — Al-Baqarah

82وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ 
Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia izy ireny no olon'ny Paradisa; hitoetra ao mandrakizay.
83وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ لَا تَعۡبُدُونَ إِلَّا ٱللَّهَ وَبِٱلۡوَٰلِدَيۡنِ إِحۡسَانًا وَذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَقُولُواْ لِلنَّاسِ حُسۡنًا وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ ثُمَّ تَوَلَّيۡتُمۡ إِلَّا قَلِيلًا مِّنكُمۡ وَأَنتُم مُّعۡرِضُونَ 
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena tamin'ireo zanak'Israely Izahay hoe : " Tsy hanompo afa-tsy Allah ianareo, ary aoka ianareo hanao tsara amin'ireo ray aman-dreny, ary amin'ireo fianakaviana sy ireo kamboty ary ireo olona sahirana; ary manaova teny mendrika amin'olona sy manangàna Soalat ary mamoaha Zakat ianareo ". Avy teo dia nivadika ianareo afa-tsy olom-bitsy taminareo ihany, ary nomenareo lamosina izany.
84وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَكُمۡ لَا تَسۡفِكُونَ دِمَآءَكُمۡ وَلَا تُخۡرِجُونَ أَنفُسَكُم مِّن دِيَٰرِكُمۡ ثُمَّ أَقۡرَرۡتُمۡ وَأَنتُمۡ تَشۡهَدُونَ 
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay fa tsy hifandatsa-drà ianareo ary tsy hifandroaka avy amin'ny fonenanareo; dia niaiky izany ianareo ary nijoro ho vavolombelona.
85ثُمَّ أَنتُمۡ هَٰٓؤُلَآءِ تَقۡتُلُونَ أَنفُسَكُمۡ وَتُخۡرِجُونَ فَرِيقًا مِّنكُم مِّن دِيَٰرِهِمۡ تَظَٰهَرُونَ عَلَيۡهِم بِٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡعُدۡوَٰنِ وَإِن يَأۡتُوكُمۡ أُسَٰرَىٰ تُفَٰدُوهُمۡ وَهُوَ مُحَرَّمٌ عَلَيۡكُمۡ إِخۡرَاجُهُمۡۚ أَفَتُؤۡمِنُونَ بِبَعۡضِ ٱلۡكِتَٰبِ وَتَكۡفُرُونَ بِبَعۡضٍۚ فَمَا جَزَآءُ مَن يَفۡعَلُ ذَٰلِكَ مِنكُمۡ إِلَّا خِزۡيٌ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يُرَدُّونَ إِلَىٰٓ أَشَدِّ ٱلۡعَذَابِۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ 
Avy eo dia iny ianareo fa nifamono ary nandroaka avy tamin'ny fonenany ny sasany taminareo; ka niara-nifarimbona tamin'ny fahavalo mihitsy ianareo nanao fahotana sy ny tsy rariny niady azy ireo. Ary raha babo (ny fahavalo) izy ireo ka tonga aminareo dia aloanareo ny vidim-panavotana ho azy ireo; nefa voarara taminareo ny fanaovana azy ireo sesitany. ka moa ve ianareo mino ny ampahany amin'ilay Boky nefa tsy mino ny ampahany hafa ? ! ka inona no valiny asetry izay manao izany aminareo afa-tsy ny fanalam-baraka (azy ireo) amin'ny fiainana eto an-tany; ary amin'ny Andron'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo dia alefa any amin'ny sazy tena henjana indrindra. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo.
86أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ ٱشۡتَرَوُاْ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا بِٱلۡأٓخِرَةِۖ فَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ 
Izy ireo no sahy nividy ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any an-koatra. Ka tsy hisy fanalefahan-tsazy ho azy ireo. Ary tsy misy famonjena ihany koa.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
84Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 84

Surah Andininy 84/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 82–86. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers