Al-Qasas · 20/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
وَجَاءَ رَجُلٌ مِّنْ أَقْصَى الْمَدِينَةِ يَسْعَىٰ قَالَ يَا مُوسَىٰ إِنَّ الْمَلَأَ يَأْتَمِرُونَ بِكَ لِيَقْتُلُوكَ فَاخْرُجْ إِنِّي لَكَ مِنَ النَّاصِحِينَ ۝٢٠
Wa jaaa`a rajulum min aqsal madeenati yas`aa qaala yaa Moosaaa innal mala a yaa tamiroona bika liyaqtulooka fakhruj innee laka minan naasiheen
📖 Dikany Malagasy
Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 18-22 — Al-Qasas

18فَأَصْبَحَ فِي الْمَدِينَةِ خَائِفًا يَتَرَقَّبُ فَإِذَا الَّذِي اسْتَنصَرَهُ بِالْأَمْسِ يَسْتَصْرِخُهُ ۚ قَالَ لَهُ مُوسَىٰ إِنَّكَ لَغَوِيٌّ مُّبِينٌ
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
19فَلَمَّا أَنْ أَرَادَ أَن يَبْطِشَ بِالَّذِي هُوَ عَدُوٌّ لَّهُمَا قَالَ يَا مُوسَىٰ أَتُرِيدُ أَن تَقْتُلَنِي كَمَا قَتَلْتَ نَفْسًا بِالْأَمْسِ ۖ إِن تُرِيدُ إِلَّا أَن تَكُونَ جَبَّارًا فِي الْأَرْضِ وَمَا تُرِيدُ أَن تَكُونَ مِنَ الْمُصْلِحِينَ
Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”.
20وَجَاءَ رَجُلٌ مِّنْ أَقْصَى الْمَدِينَةِ يَسْعَىٰ قَالَ يَا مُوسَىٰ إِنَّ الْمَلَأَ يَأْتَمِرُونَ بِكَ لِيَقْتُلُوكَ فَاخْرُجْ إِنِّي لَكَ مِنَ النَّاصِحِينَ
Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”.
21فَخَرَجَ مِنْهَا خَائِفًا يَتَرَقَّبُ ۖ قَالَ رَبِّ نَجِّنِي مِنَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ
Ka nivoaka niala tao izy, amim-patahorana, sady mjery ny manodidina azy. Niteny izy nanao hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin’ny vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
22وَلَمَّا تَوَجَّهَ تِلْقَاءَ مَدْيَنَ قَالَ عَسَىٰ رَبِّي أَن يَهْدِيَنِي سَوَاءَ السَّبِيلِ
Ary rehefa nizotra nankany Madiàna izy, dia niteny hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dalana ahy amin’ny lala-mahitsy”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
20Andininy

Fandikana — Al-Qasas 20

Surah Al-Qasas Andininy 20 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny…

Surah Andininy 20/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 18–22. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers