Al-Qasas · 24/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
فَسَقَىٰ لَهُمَا ثُمَّ تَوَلَّىٰ إِلَى الظِّلِّ فَقَالَ رَبِّ إِنِّي لِمَا أَنزَلْتَ إِلَيَّ مِنْ خَيْرٍ فَقِيرٌ ۝٢٤
Fasaqaa lahumaa summa tawallaaa ilaz zilli faqaala Rabbi innee limaaa anzalta ilaiya min khairin faqeer
📖 Dikany Malagasy
Nampisotroiny (ireo biby fiompin’) izy roa, avy eo dia niverina nankany amin’ny aloka izy sady niteny nanao hoe : “Tompo ô ! Tena ilaiko tokoa ny fahasoavana izay hampidininao amiko”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 22-26 — Al-Qasas

22وَلَمَّا تَوَجَّهَ تِلْقَاءَ مَدْيَنَ قَالَ عَسَىٰ رَبِّي أَن يَهْدِيَنِي سَوَاءَ السَّبِيلِ
Ary rehefa nizotra nankany Madiàna izy, dia niteny hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dalana ahy amin’ny lala-mahitsy”.
23وَلَمَّا وَرَدَ مَاءَ مَدْيَنَ وَجَدَ عَلَيْهِ أُمَّةً مِّنَ النَّاسِ يَسْقُونَ وَوَجَدَ مِن دُونِهِمُ امْرَأَتَيْنِ تَذُودَانِ ۖ قَالَ مَا خَطْبُكُمَا ۖ قَالَتَا لَا نَسْقِي حَتَّىٰ يُصْدِرَ الرِّعَاءُ ۖ وَأَبُونَا شَيْخٌ كَبِيرٌ
Ary rehefa tonga teo amin’ny toerana misy rano tao Madiàna izy, dia nahita andian’olona izay mampisotro rano (ny biby fiompin’izy ireo), ary nahita koa izy, vehivavy anankiroa mbola mihataka lavidavitra kely, izay mitazona (ireo biby fiompiny). Niteny izy (Mosesy) hoe : “Inona no tadiavinareo ?”. Namaly izy roa nanao hoe : “Tsy hampisotro rano mihitsy izahay raha tsy efa lasa daholo ireo mpiandry ondry" ; ary ny rainay dia tena efa antitra.
24فَسَقَىٰ لَهُمَا ثُمَّ تَوَلَّىٰ إِلَى الظِّلِّ فَقَالَ رَبِّ إِنِّي لِمَا أَنزَلْتَ إِلَيَّ مِنْ خَيْرٍ فَقِيرٌ
Nampisotroiny (ireo biby fiompin’) izy roa, avy eo dia niverina nankany amin’ny aloka izy sady niteny nanao hoe : “Tompo ô ! Tena ilaiko tokoa ny fahasoavana izay hampidininao amiko”.
25فَجَاءَتْهُ إِحْدَاهُمَا تَمْشِي عَلَى اسْتِحْيَاءٍ قَالَتْ إِنَّ أَبِي يَدْعُوكَ لِيَجْزِيَكَ أَجْرَ مَا سَقَيْتَ لَنَا ۚ فَلَمَّا جَاءَهُ وَقَصَّ عَلَيْهِ الْقَصَصَ قَالَ لَا تَخَفْ ۖ نَجَوْتَ مِنَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ
Avy eo dia tonga taminy ny iray tamin’ireo vehivavy anankiroa, mamindra amim-pahamaontinana, ka niteny taminy hoe : “Tena miantso anao ny raiko mba hanomezany anao valisoa tamin’ny fampisotroanao anay (ho an’ireo biby fiompinay)” Ary rehefa tonga teo anatrehany izy, ka notantarainy taminy ny tantara, dia niteny izy (ilay anti-dahy) nanao hoe : “Aza matahotra fa avotra tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ianao”.
26قَالَتْ إِحْدَاهُمَا يَا أَبَتِ اسْتَأْجِرْهُ ۖ إِنَّ خَيْرَ مَنِ اسْتَأْجَرْتَ الْقَوِيُّ الْأَمِينُ
Niteny ny iray tamin’izy roa (vavy) hoe : “Ry dada ô ! Ampiasao handray karama izy, satria ny tena tsara amin’izay hampiasanao ho karamaina dia ilay matanjaka sy mendri-pitokisana”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
24Andininy

Fandikana — Al-Qasas 24

Surah Al-Qasas Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nampisotroiny (ireo biby fiompin’) izy roa, avy eo dia niverina…

Surah Andininy 24/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers