Al-Ahzab · 15/73
Fandikana Fanononana — Al-Ahzab
وَلَقَدْ كَانُوا عَاهَدُوا اللَّهَ مِن قَبْلُ لَا يُوَلُّونَ الْأَدْبَارَ ۚ وَكَانَ عَهْدُ اللَّهِ مَسْئُولًا ۝١٥
Wa laqad kaanoo `aahadul laaha min qablu laa yuwal loonal adbaar; wa kaana `ahdul laahi mas`oolaa
📖 Dikany Malagasy
Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo aloha, fa tsy hitodi-damosina. Ary ny fifanekena rehetra natao tamin’i Allah dia ho hanontaniana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 13-17 — Al-Ahzab

13وَإِذْ قَالَت طَّائِفَةٌ مِّنْهُمْ يَا أَهْلَ يَثْرِبَ لَا مُقَامَ لَكُمْ فَارْجِعُوا ۚ وَيَسْتَأْذِنُ فَرِيقٌ مِّنْهُمُ النَّبِيَّ يَقُولُونَ إِنَّ بُيُوتَنَا عَوْرَةٌ وَمَا هِيَ بِعَوْرَةٍ ۖ إِن يُرِيدُونَ إِلَّا فِرَارًا
Tahaka izany koa, ny andiany iray tamin’izy ireo dia niteny hoe : “Ry olon’i Iasrib ! Aza mijanona eto ianareo. Miverena ianareo (any aminareo)”. Ary ny andiany iray hafa tamin’izy ireo, dia nangataka fahazoan-dàlana tamin’ny Mpaminany tamim-pitenenana hoe : “Tena marina fa ireo tranonay dia tsy misy fiarovana”, tsy hoe tsy misy fiarovana izany, fa tsy mitady afa-tsy ny handositra izy ireo.
14وَلَوْ دُخِلَتْ عَلَيْهِم مِّنْ أَقْطَارِهَا ثُمَّ سُئِلُوا الْفِتْنَةَ لَآتَوْهَا وَمَا تَلَبَّثُوا بِهَا إِلَّا يَسِيرًا
Ary raha nidirana tao amin’izy ireo avy tamin’ny ilan’ny tanàna; avy eo nanontaniana azy ireo ny fitsapana (fialana amin’ny finoana), dia notanterahan’izy ireo tokoa izany, ary tsy nisy afa-tsy fotoana kely ihany no nandrasan’izy ireo tamin’izany.
15وَلَقَدْ كَانُوا عَاهَدُوا اللَّهَ مِن قَبْلُ لَا يُوَلُّونَ الْأَدْبَارَ ۚ وَكَانَ عَهْدُ اللَّهِ مَسْئُولًا
Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo aloha, fa tsy hitodi-damosina. Ary ny fifanekena rehetra natao tamin’i Allah dia ho hanontaniana.
16قُل لَّن يَنفَعَكُمُ الْفِرَارُ إِن فَرَرْتُم مِّنَ الْمَوْتِ أَوِ الْقَتْلِ وَإِذًا لَّا تُمَتَّعُونَ إِلَّا قَلِيلًا
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Tsy hisy tombony ho anareo mihitsy ny fandosirana, raha ny fahafatesana (tsy hisy ady) na ny famonoana amin’ny ady no andosiranareo. Noho izany dia tsy hanana fahafinaretana afa-tsy kely ihany ianareo.
17قُلْ مَن ذَا الَّذِي يَعْصِمُكُم مِّنَ اللَّهِ إِنْ أَرَادَ بِكُمْ سُوءًا أَوْ أَرَادَ بِكُمْ رَحْمَةً ۚ وَلَا يَجِدُونَ لَهُم مِّن دُونِ اللَّهِ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Iza ary no afaka hiaro anareo amin’i Allah raha ny sitrany ho anareo ny ratsy, na ny sitrany ho anareo ny famindram-pò ?” Ary tsy ahita izy ireo ivelan’i Allah, ho mpiaro na mpanavotra.
Al-AhzabFizahan-takila Koraña
73Andininy
MedinanRevelation
15Andininy

Fandikana — Al-Ahzab 15

Surah Al-Ahzab Andininy 15 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo…

Surah Andininy 15/73 — Al-Ahzab الأحزاب (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahzab Henoy, Al-Ahzab Fandikana, Al-Ahzab mp3, Al-Ahzab pdf. Andininy 13–17. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers