An-Nisa · 139/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
الَّذِينَ يَتَّخِذُونَ الْكَافِرِينَ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِ الْمُؤْمِنِينَ ۚ أَيَبْتَغُونَ عِندَهُمُ الْعِزَّةَ فَإِنَّ الْعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا ۝١٣٩
Allazeena yattakhizoo nal kaafireena awliyaaa`a min doonil mu`mineen; a-yabta ghoona `indahumul `izzata fainnnal `izzata lillaahi jamee`aa
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo mpino, mitady hery amin’izy ireny ve izy ireo ? Kanefa tena marina fa an’I Allah ny hery rehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 137-141 — An-Nisa

137إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا ثُمَّ كَفَرُوا ثُمَّ آمَنُوا ثُمَّ كَفَرُوا ثُمَّ ازْدَادُوا كُفْرًا لَّمْ يَكُنِ اللَّهُ لِيَغْفِرَ لَهُمْ وَلَا لِيَهْدِيَهُمْ سَبِيلًا
Tena marina fa ireo izay nino, avy eo tsy nino, avy eo nino indray, avy eo niverina tsy nino izy ireo, dia vao maika nampitombo ny tsy finoany; tsy hamela heloka na koa hitari-dalana azy ireo I Allah.
138بَشِّرِ الْمُنَافِقِينَ بِأَنَّ لَهُمْ عَذَابًا أَلِيمًا
Lazao amin’ireo mpihatsaravelatsihy, fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
139الَّذِينَ يَتَّخِذُونَ الْكَافِرِينَ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِ الْمُؤْمِنِينَ ۚ أَيَبْتَغُونَ عِندَهُمُ الْعِزَّةَ فَإِنَّ الْعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا
Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo mpino, mitady hery amin’izy ireny ve izy ireo ? Kanefa tena marina fa an’I Allah ny hery rehetra.
140وَقَدْ نَزَّلَ عَلَيْكُمْ فِي الْكِتَابِ أَنْ إِذَا سَمِعْتُمْ آيَاتِ اللَّهِ يُكْفَرُ بِهَا وَيُسْتَهْزَأُ بِهَا فَلَا تَقْعُدُوا مَعَهُمْ حَتَّىٰ يَخُوضُوا فِي حَدِيثٍ غَيْرِهِ ۚ إِنَّكُمْ إِذًا مِّثْلُهُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ جَامِعُ الْمُنَافِقِينَ وَالْكَافِرِينَ فِي جَهَنَّمَ جَمِيعًا
Ary efa nampidina taminareo ao anat'ilay rakitsoratra fa : “Raha maheno ny fanambaran’I Allah ianareo,ka toherina sy tsiratsiraina izany, dia aoka tsy hipetraka amin’izy ireo ianareo mandra-panaovan’izy ireo resaka hafa ankoatra izany”. Raha tsy izany, dia mitovy amin’izy ireo ianareo. Tena marina fa I Allah dia hanangona ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino ao anatin'ny afobe.
141الَّذِينَ يَتَرَبَّصُونَ بِكُمْ فَإِن كَانَ لَكُمْ فَتْحٌ مِّنَ اللَّهِ قَالُوا أَلَمْ نَكُن مَّعَكُمْ وَإِن كَانَ لِلْكَافِرِينَ نَصِيبٌ قَالُوا أَلَمْ نَسْتَحْوِذْ عَلَيْكُمْ وَنَمْنَعْكُم مِّنَ الْمُؤْمِنِينَ ۚ فَاللَّهُ يَحْكُمُ بَيْنَكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ وَلَن يَجْعَلَ اللَّهُ لِلْكَافِرِينَ عَلَى الْمُؤْمِنِينَ سَبِيلًا
Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
139Andininy

Fandikana — An-Nisa 139

Surah An-Nisa Andininy 139 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo…

Surah Andininy 139/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 137–141. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers