An-Nisa · 172/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
لَّن يَسْتَنكِفَ الْمَسِيحُ أَن يَكُونَ عَبْدًا لِّلَّهِ وَلَا الْمَلَائِكَةُ الْمُقَرَّبُونَ ۚ وَمَن يَسْتَنكِفْ عَنْ عِبَادَتِهِ وَيَسْتَكْبِرْ فَسَيَحْشُرُهُمْ إِلَيْهِ جَمِيعًا ۝١٧٢
Lanny yastankifal Maseehu ai yakoona `abdal lillaahi wa lal malaaa`ikatul muqarraboon; wa mai yastankif `an ibaadatihee wa yastakbir fasa yahshuruhum ilaihi jamee`aa
📖 Dikany Malagasy
Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny tenany ho tsy mpanompon’i Allah, na koa ireo Anjely akaiky. Ary izay manambony tena amin’ny fanompona Azy (Allah), sy miavonavona dia havoriny any Aminy daholo izy reo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 170-174 — An-Nisa

170يَا أَيُّهَا النَّاسُ قَدْ جَاءَكُمُ الرَّسُولُ بِالْحَقِّ مِن رَّبِّكُمْ فَآمِنُوا خَيْرًا لَّكُمْ ۚ وَإِن تَكْفُرُوا فَإِنَّ لِلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا
O! ianareo olombelona! Efa tonga aminareo ilay Iraka nitondra ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, ka aoka hino ianareo, fa izany no tsara ho anareo. Ary raha tsy mino ianareo dia marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary I Allah dia Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena.
171يَا أَهْلَ الْكِتَابِ لَا تَغْلُوا فِي دِينِكُمْ وَلَا تَقُولُوا عَلَى اللَّهِ إِلَّا الْحَقَّ ۚ إِنَّمَا الْمَسِيحُ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ رَسُولُ اللَّهِ وَكَلِمَتُهُ أَلْقَاهَا إِلَىٰ مَرْيَمَ وَرُوحٌ مِّنْهُ ۖ فَآمِنُوا بِاللَّهِ وَرُسُلِهِ ۖ وَلَا تَقُولُوا ثَلَاثَةٌ ۚ انتَهُوا خَيْرًا لَّكُمْ ۚ إِنَّمَا اللَّهُ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ سُبْحَانَهُ أَن يَكُونَ لَهُ وَلَدٌ ۘ لَّهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ وَكِيلًا
O Ianareo olon’ny boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ianareo, ary aza miteny momba an’I Allah afa-tsy ny marina.Tena marina fa i Mesia Jesoa, zanak’i Maria, dia tsy iza fa irak’I Allah ihany, ary Teniny izay nalefany tamin’i Maria, sy Fanahy avy Aminy; koa inoanareo I Allah sy ireo Irany, ary aza miteny hoe: “Telo” ianareo. Atsaharonareo! Fa izany no tsara ho anareo. Tena marina fa I Allah dia Zanahary tokana ihany. Dera ho Azy, ary Azy ny fahamendrehana rehetra, lavitra ny voninahiny ny hanan-janaka. Azy izay any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary ampy ho Mpiahy I Allah.
172لَّن يَسْتَنكِفَ الْمَسِيحُ أَن يَكُونَ عَبْدًا لِّلَّهِ وَلَا الْمَلَائِكَةُ الْمُقَرَّبُونَ ۚ وَمَن يَسْتَنكِفْ عَنْ عِبَادَتِهِ وَيَسْتَكْبِرْ فَسَيَحْشُرُهُمْ إِلَيْهِ جَمِيعًا
Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny tenany ho tsy mpanompon’i Allah, na koa ireo Anjely akaiky. Ary izay manambony tena amin’ny fanompona Azy (Allah), sy miavonavona dia havoriny any Aminy daholo izy reo.
173فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ فَيُوَفِّيهِمْ أُجُورَهُمْ وَيَزِيدُهُم مِّن فَضْلِهِ ۖ وَأَمَّا الَّذِينَ اسْتَنكَفُوا وَاسْتَكْبَرُوا فَيُعَذِّبُهُمْ عَذَابًا أَلِيمًا وَلَا يَجِدُونَ لَهُم مِّن دُونِ اللَّهِ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا
Fa ireo izay nino kosa sy nanao ireo asa soa, dia omena azy ireo ny valin-kasasarany feno, ary mbola ampitomboina koa izany avy amin’ny fahasoavany. Fa ireo izay nanambony tena sy niavonavona kosa dia ho saziany amin’ny sazy mangirifiry izy ireo, ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra ho an’i tenany ankoatran’I Allah izy ireo.
174يَا أَيُّهَا النَّاسُ قَدْ جَاءَكُم بُرْهَانٌ مِّن رَّبِّكُمْ وَأَنزَلْنَا إِلَيْكُمْ نُورًا مُّبِينًا
O ianareo ry olombelona !Efa tonga aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay teo aminareo ihany koa ny hazavana miharihary.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
172Andininy

Fandikana — An-Nisa 172

Surah An-Nisa Andininy 172 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny…

Surah Andininy 172/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 170–174. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers