An-Nisa · 55/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
فَمِنْهُم مَّنْ آمَنَ بِهِ وَمِنْهُم مَّن صَدَّ عَنْهُ ۚ وَكَفَىٰ بِجَهَنَّمَ سَعِيرًا ۝٥٥
Faminhum man aamana bihee wa minhum man sadda `anh; wa kafaa bi Jahannama sa`eeraa
📖 Dikany Malagasy
Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo ihany koa izay nihataka taminy. Tena ampy ho azy ireo ny afobe ho lelan’afo fandoro.

🎧 Henoy


📜 Andininy 53-57 — Surah An-Nisa

53أَمْ لَهُمْ نَصِيبٌ مِّنَ الْمُلْكِ فَإِذًا لَّا يُؤْتُونَ النَّاسَ نَقِيرًا
Moa ve manana anjara amin’ny ampaham-pahefan’ny fanjakana izy ireo ? Raha izany dia tsy hizara na inona na inona amin’ny olona izy ireo, na dia kely tahaka ny singan’ny voan’atrendry iray aza !
54أَمْ يَحْسُدُونَ النَّاسَ عَلَىٰ مَا آتَاهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۖ فَقَدْ آتَيْنَا آلَ إِبْرَاهِيمَ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَآتَيْنَاهُم مُّلْكًا عَظِيمًا
Moa ve izy ireo dia hialona ny olona amin’ny fahasoavana izay nomen’I Allah azy ireo ? Efa nomenay an’ny fianakavian’i Abrahama ny Boky sy ny fahendrena, ary efa nomenay azy ireo koa ny fanjakana lehibe.
55فَمِنْهُم مَّنْ آمَنَ بِهِ وَمِنْهُم مَّن صَدَّ عَنْهُ ۚ وَكَفَىٰ بِجَهَنَّمَ سَعِيرًا
Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo ihany koa izay nihataka taminy. Tena ampy ho azy ireo ny afobe ho lelan’afo fandoro.
56إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِنَا سَوْفَ نُصْلِيهِمْ نَارًا كُلَّمَا نَضِجَتْ جُلُودُهُم بَدَّلْنَاهُمْ جُلُودًا غَيْرَهَا لِيَذُوقُوا الْعَذَابَ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَزِيزًا حَكِيمًا
Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambaranay dia hatsipinay any amin’ny afobe izy ireo. Isaka ny masaka ny hoditr’izy ireo, dia soloinay hoditra hafa izany, mba hanandraman’izy ireo ny famaizana. Tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
57وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ سَنُدْخِلُهُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۖ لَّهُمْ فِيهَا أَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ ۖ وَنُدْخِلُهُمْ ظِلًّا ظَلِيلًا
Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
55Andininy

Fandikana — An-Nisa 55

Surah An-Nisa Andininy 55 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo…

Surah Andininy 55/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 53–57. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers