Al-Maidah · 62/120
Fandikana Fanononana — Surah Al-Maidah
وَتَرَىٰ كَثِيرًا مِّنْهُمْ يُسَارِعُونَ فِي الْإِثْمِ وَالْعُدْوَانِ وَأَكْلِهِمُ السُّحْتَ ۚ لَبِئْسَ مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝٦٢
Wa taraa kaseeram minhum yusaari`oona fil ismi wal`udwaani wa aklihimus suht; labi`sa maa kaanoo ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Ary ho hitanao ny maro amin’izy ireo hihazakazaka amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna ary ny fihinanana harena tsy ara-dalàna. Ratsy tokoa izany asa ataon’izy ireo izany!

🎧 Henoy


📜 Andininy 60-64 — Surah Al-Maidah

60قُلْ هَلْ أُنَبِّئُكُم بِشَرٍّ مِّن ذَٰلِكَ مَثُوبَةً عِندَ اللَّهِ ۚ مَن لَّعَنَهُ اللَّهُ وَغَضِبَ عَلَيْهِ وَجَعَلَ مِنْهُمُ الْقِرَدَةَ وَالْخَنَازِيرَ وَعَبَدَ الطَّاغُوتَ ۚ أُولَٰئِكَ شَرٌّ مَّكَانًا وَأَضَلُّ عَن سَوَاءِ السَّبِيلِ
Teneno hoe: Moa ve hambarako anareo ny ratsy kokoa mihoatra an’izany amin’ny valin’asa eo anatrehan’i Allah? Dia izay nozonin’i Allah sy nampiharany ny hatezerany ary ny sasany amin’izy ireo nataony lasa gidro sy kisoa, ary nanompo ny Tàghout [77]. Izy ireny no ratsy toerana indrindra sy tena very lavitra niala amin’ny làlana mahitsy.
61وَإِذَا جَاءُوكُمْ قَالُوا آمَنَّا وَقَد دَّخَلُوا بِالْكُفْرِ وَهُمْ قَدْ خَرَجُوا بِهِ ۚ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِمَا كَانُوا يَكْتُمُونَ
Ary raha tonga aminareo izy ireo dia hiteny hoe: "Mino izahay" nefa niditra niaraka amin’ny tsy finoana izy ireo ary nivoaka koa niaraka aminy. Ary I Allah no tena mahafantatra izay afenin’izy ireo.
62وَتَرَىٰ كَثِيرًا مِّنْهُمْ يُسَارِعُونَ فِي الْإِثْمِ وَالْعُدْوَانِ وَأَكْلِهِمُ السُّحْتَ ۚ لَبِئْسَ مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Ary ho hitanao ny maro amin’izy ireo hihazakazaka amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna ary ny fihinanana harena tsy ara-dalàna. Ratsy tokoa izany asa ataon’izy ireo izany!
63لَوْلَا يَنْهَاهُمُ الرَّبَّانِيُّونَ وَالْأَحْبَارُ عَن قَوْلِهِمُ الْإِثْمَ وَأَكْلِهِمُ السُّحْتَ ۚ لَبِئْسَ مَا كَانُوا يَصْنَعُونَ
Nahoana moa ireo mpitondra fivavahana jiosy sy ireo manam-pahaizana ara-pinoana no tsy mba mandrara azy ireo amin’ny fanaovana ny teny feno fahotana sy amin’ny fihinanana harena tsy ara-dalàna? Ratsy tokoa izany ataon’izy ireo izany!
64وَقَالَتِ الْيَهُودُ يَدُ اللَّهِ مَغْلُولَةٌ ۚ غُلَّتْ أَيْدِيهِمْ وَلُعِنُوا بِمَا قَالُوا ۘ بَلْ يَدَاهُ مَبْسُوطَتَانِ يُنفِقُ كَيْفَ يَشَاءُ ۚ وَلَيَزِيدَنَّ كَثِيرًا مِّنْهُم مَّا أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ طُغْيَانًا وَكُفْرًا ۚ وَأَلْقَيْنَا بَيْنَهُمُ الْعَدَاوَةَ وَالْبَغْضَاءَ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ ۚ كُلَّمَا أَوْقَدُوا نَارًا لِّلْحَرْبِ أَطْفَأَهَا اللَّهُ ۚ وَيَسْعَوْنَ فِي الْأَرْضِ فَسَادًا ۚ وَاللَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُفْسِدِينَ
Ary niteny ireo jiosy hoe: "Ny tanan’I Allah dia mikombona". Ny Tanan’izy ireo no mikombona ary voahozona izy ireo noho ny teny nataony. Tsia! Ny tanany roa dia mivelatra tsara sy mizara araka izay sitrany Izy. Ary tena marina fa izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao dia tena hampitombo betsaka amin’ny ankamaroan’izy ireo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana. Ary norangitina tamin’izy ireo ny fifanoherana sy ny fifankahalana, mandra-pahatongan’ny andron’ny fitsanganana. Isaky izy ireo mandrehitra afo ho amin’ny ady dia vonoin’I Allah izany. Ary miezaka izy ireo mampiely eto ambonin-tany ny asa fanimbana. Ary I Allah dia tsy tia ireo mpanao ny asa fanimbana.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
62Andininy

Fandikana — Al-Maidah 62

Surah Al-Maidah Andininy 62 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ho hitanao ny maro amin’izy ireo hihazakazaka amin’ny fahotana…

Surah Andininy 62/120 — Surah Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Maidah Henoy, Surah Al-Maidah Fandikana, Surah Al-Maidah mp3, Surah Al-Maidah pdf. Andininy 60–64. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers