Al-An'am · 142/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَمِنَ الْأَنْعَامِ حَمُولَةً وَفَرْشًا ۚ كُلُوا مِمَّا رَزَقَكُمُ اللَّهُ وَلَا تَتَّبِعُوا خُطُوَاتِ الشَّيْطَانِ ۚ إِنَّهُ لَكُمْ عَدُوٌّ مُّبِينٌ ۝١٤٢
Wa minal an`aami hamoolatanw wa farshaa; kuloo mimmaa razaqakumul laahu wa laa tattabi`oo khutuwaatish Shaitaan; innahoo lakum `aduwwum mubeen
📖 Dikany Malagasy
Ary misy amin’ireo biby koa no atao fitaovam-pitaterana, ary ao koa ny sasany amin’izy ireo hampiasaina amin’ny filàna maro samihafa . Mihinàna ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’I Allah anareo, ary aza manaraka ireo famindran’i Satana ianareo, satria izy dia tena fahavalo miharihary ho anareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 140-144 — Al-An'am

140قَدْ خَسِرَ الَّذِينَ قَتَلُوا أَوْلَادَهُمْ سَفَهًا بِغَيْرِ عِلْمٍ وَحَرَّمُوا مَا رَزَقَهُمُ اللَّهُ افْتِرَاءً عَلَى اللَّهِ ۚ قَدْ ضَلُّوا وَمَا كَانُوا مُهْتَدِينَ
Tena maty antoka ireo izay namono an-kadalàna sy tsy amim-pahalalana ny zanak’izy ireo, sy nifady izay anjara fivelomana nomen’I Allah azy ireo, mba ho famoronan-dainga amin’I Allah. Tena very tokoa izy ireo ary tsy hahita ny tari-dalana velively.
141۞ وَهُوَ الَّذِي أَنشَأَ جَنَّاتٍ مَّعْرُوشَاتٍ وَغَيْرَ مَعْرُوشَاتٍ وَالنَّخْلَ وَالزَّرْعَ مُخْتَلِفًا أُكُلُهُ وَالزَّيْتُونَ وَالرُّمَّانَ مُتَشَابِهًا وَغَيْرَ مُتَشَابِهٍ ۚ كُلُوا مِن ثَمَرِهِ إِذَا أَثْمَرَ وَآتُوا حَقَّهُ يَوْمَ حَصَادِهِ ۖ وَلَا تُسْرِفُوا ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُسْرِفِينَ
Ary Izy no Nahary ny zaridaina maro misy hazo mandady sy tsy mandady, sy ireo hazon’atrendry sy ny fambolena manam-bokatra samihafa, ary koa ny oliva sy ny ampongaben-danitra, misy mitovitovy sy misy fahasamihafany, mihinàna amin’ireo voankazony ianareo rehefa mamokatra izy, ary mamoaha ny zony ianareo amin’ny andro fihotazana azy, ary aza manao fandaniam-poana ianareo, tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao fandaniam-poana.
142وَمِنَ الْأَنْعَامِ حَمُولَةً وَفَرْشًا ۚ كُلُوا مِمَّا رَزَقَكُمُ اللَّهُ وَلَا تَتَّبِعُوا خُطُوَاتِ الشَّيْطَانِ ۚ إِنَّهُ لَكُمْ عَدُوٌّ مُّبِينٌ
Ary misy amin’ireo biby koa no atao fitaovam-pitaterana, ary ao koa ny sasany amin’izy ireo hampiasaina amin’ny filàna maro samihafa . Mihinàna ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’I Allah anareo, ary aza manaraka ireo famindran’i Satana ianareo, satria izy dia tena fahavalo miharihary ho anareo.
143ثَمَانِيَةَ أَزْوَاجٍ ۖ مِّنَ الضَّأْنِ اثْنَيْنِ وَمِنَ الْمَعْزِ اثْنَيْنِ ۗ قُلْ آلذَّكَرَيْنِ حَرَّمَ أَمِ الْأُنثَيَيْنِ أَمَّا اشْتَمَلَتْ عَلَيْهِ أَرْحَامُ الْأُنثَيَيْنِ ۖ نَبِّئُونِي بِعِلْمٍ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Valo ka mandeha tsiroadroa (lahy sy vavy). Roa avy amin’ny karazan’ondry, ary roa avy amin’ny karazan’osy.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa. Na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ? Lazanareo ahy amin’ny alalan’ny fahalalana voaporofo izany, raha marina ny anareo.
144وَمِنَ الْإِبِلِ اثْنَيْنِ وَمِنَ الْبَقَرِ اثْنَيْنِ ۗ قُلْ آلذَّكَرَيْنِ حَرَّمَ أَمِ الْأُنثَيَيْنِ أَمَّا اشْتَمَلَتْ عَلَيْهِ أَرْحَامُ الْأُنثَيَيْنِ ۖ أَمْ كُنتُمْ شُهَدَاءَ إِذْ وَصَّاكُمُ اللَّهُ بِهَٰذَا ۚ فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا لِّيُضِلَّ النَّاسَ بِغَيْرِ عِلْمٍ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ
Fa roa avy amin’ny rameva, ary roa koa avy amin’ny omby.Teneno hoe : “Moa ve ny lahy roa no norarany sa ny vavy roa, na koa izay ao anaty kibon’ny vavy roa ?Na koa vavolombelona ve ianareo rehefa nandidy anareo amin’izany I Allah ?” Iza àry no manao ny tsy rariny mihoatra izay namoron-dainga mahakasika an'I Allah mba hamerezany tsy amim-pahalalana ny olombelona ? Tena marina, fa Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
142Andininy

Fandikana — Al-An'am 142

Surah Al-An'am Andininy 142 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary misy amin’ireo biby koa no atao fitaovam-pitaterana, ary ao…

Surah Andininy 142/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 140–144. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers