Al-An'am · 58/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
قُل لَّوْ أَنَّ عِندِي مَا تَسْتَعْجِلُونَ بِهِ لَقُضِيَ الْأَمْرُ بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ ۗ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِالظَّالِمِينَ ۝٥٨
Qul law anna `indee maa tasta`jiloona bihee laqudiyal amru bainee wa bainakum; wallaahu a`lamu bizzaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : “Raha toa ka ananako izay tadiavinareo ho hafainganina dia tena tapitra teo ny raharaha eo amiko sy aminareo”. Ary I Allah no Mahalala kokoa ireo mpanao ny tsy rariny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 56-60 — Al-An'am

56قُلْ إِنِّي نُهِيتُ أَنْ أَعْبُدَ الَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ ۚ قُل لَّا أَتَّبِعُ أَهْوَاءَكُمْ ۙ قَدْ ضَلَلْتُ إِذًا وَمَا أَنَا مِنَ الْمُهْتَدِينَ
Teneno hoe : “Tena norarana aho mba tsy hanompo ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah”. Teneno hoe : “Izaho dia tsy mba hanaraka ny hetahetam-ponareo; Tena very aho raha manaraka izany ary tsy ho anisan’ireo mpanaraka ny lala-mahitsy aho”.
57قُلْ إِنِّي عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَكَذَّبْتُم بِهِ ۚ مَا عِندِي مَا تَسْتَعْجِلُونَ بِهِ ۚ إِنِ الْحُكْمُ إِلَّا لِلَّهِ ۖ يَقُصُّ الْحَقَّ ۖ وَهُوَ خَيْرُ الْفَاصِلِينَ
Teneno hoe : “Izaho dia miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ianareo anefa nilaza izany ho lainga. Tsy ananako izay tadiavinareo ho hafangainina; tsy an’iza ny fitsarana afa-tsy an’I Allah, Izy no manapaka ny marina ary Izy no Mpitsara mendrika indrindra.
58قُل لَّوْ أَنَّ عِندِي مَا تَسْتَعْجِلُونَ بِهِ لَقُضِيَ الْأَمْرُ بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ ۗ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِالظَّالِمِينَ
Teneno hoe : “Raha toa ka ananako izay tadiavinareo ho hafainganina dia tena tapitra teo ny raharaha eo amiko sy aminareo”. Ary I Allah no Mahalala kokoa ireo mpanao ny tsy rariny.
59۞ وَعِندَهُ مَفَاتِحُ الْغَيْبِ لَا يَعْلَمُهَا إِلَّا هُوَ ۚ وَيَعْلَمُ مَا فِي الْبَرِّ وَالْبَحْرِ ۚ وَمَا تَسْقُطُ مِن وَرَقَةٍ إِلَّا يَعْلَمُهَا وَلَا حَبَّةٍ فِي ظُلُمَاتِ الْأَرْضِ وَلَا رَطْبٍ وَلَا يَابِسٍ إِلَّا فِي كِتَابٍ مُّبِينٍ
Ary any Aminy ireo fanala hidin’ny zava-miafina. Tsy misy mahalala izany afa-tsy Izy irery ihany. Ary mahalala izay rehetra eto an-tanety sy ny any an-dranomasina Izy. Ary tsy misy ravin-kazo latsaka ka tsy fantany. Ary tsy misy voa na iray ao anatin’ny haizin’ny tany ary tsy misy zavatra na mando izany na maina ka tsy efa voarakitra ao anaty Boky mazava.
60وَهُوَ الَّذِي يَتَوَفَّاكُم بِاللَّيْلِ وَيَعْلَمُ مَا جَرَحْتُم بِالنَّهَارِ ثُمَّ يَبْعَثُكُمْ فِيهِ لِيُقْضَىٰ أَجَلٌ مُّسَمًّى ۖ ثُمَّ إِلَيْهِ مَرْجِعُكُمْ ثُمَّ يُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ
Ary Izy no maka ny fofon’ainareo amin’ny alina, ary mahalala izay ataonareo amin’ny atoandro, avy eo dia mamelona anareo indray Izy amin’izany mba ahatanteraka ny fotoana voafetra. Avy eo, any Aminy no fiverenanareo, ary ho lazainy anareo izay rehetra nataonareo.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
58Andininy

Fandikana — Al-An'am 58

Surah Al-An'am Andininy 58 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : “Raha toa ka ananako izay tadiavinareo ho…

Surah Andininy 58/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 56–60. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers