Houd · 118/123
Fandikana Fanononana — Houd
وَلَوْ شَاءَ رَبُّكَ لَجَعَلَ النَّاسَ أُمَّةً وَاحِدَةً ۖ وَلَا يَزَالُونَ مُخْتَلِفِينَ ۝١١٨
Wa law shaaa`a Rabbuka laja`alannnaasa ummatanw waa hidatanw wa laa yazaaloona mukhtalifeen
📖 Dikany Malagasy
Ary raha sitraky ny Tomponao, dia nataony ho vahoaka iray mitovy tarigetra ihany ny olona rehetra nefa tsy mijanona amin’ny tsy fifanarahana tokoa izy ireo,

🎧 Henoy


📜 Andininy 116-120 — Houd

116فَلَوْلَا كَانَ مِنَ الْقُرُونِ مِن قَبْلِكُمْ أُولُو بَقِيَّةٍ يَنْهَوْنَ عَنِ الْفَسَادِ فِي الْأَرْضِ إِلَّا قَلِيلًا مِّمَّنْ أَنجَيْنَا مِنْهُمْ ۗ وَاتَّبَعَ الَّذِينَ ظَلَمُوا مَا أُتْرِفُوا فِيهِ وَكَانُوا مُجْرِمِينَ
Raha mba nisy mantsy tamin’ireo razambe teo alohanareo olo-mendrika sy nandrara ny fanimbana teto an-tany ! Nefa indrisy mantsy ! Afa-tsy ny vitsy an’isa tamin’ireo izay navotanay ihany. Fa ireo izay nanao ny tsy rariny, dia miezaka amin’ny fanarahana ny asa ratsy tafahoatra izay niainany no sady mpanao heloka bevava tokoa izy ireo.
117وَمَا كَانَ رَبُّكَ لِيُهْلِكَ الْقُرَىٰ بِظُلْمٍ وَأَهْلُهَا مُصْلِحُونَ
Ary ny Tomponao, dia tsy handrava amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola misy mponina miezaka manarina ny ratsy ao Aminy.
118وَلَوْ شَاءَ رَبُّكَ لَجَعَلَ النَّاسَ أُمَّةً وَاحِدَةً ۖ وَلَا يَزَالُونَ مُخْتَلِفِينَ
Ary raha sitraky ny Tomponao, dia nataony ho vahoaka iray mitovy tarigetra ihany ny olona rehetra nefa tsy mijanona amin’ny tsy fifanarahana tokoa izy ireo,
119إِلَّا مَن رَّحِمَ رَبُّكَ ۚ وَلِذَٰلِكَ خَلَقَهُمْ ۗ وَتَمَّتْ كَلِمَةُ رَبِّكَ لَأَمْلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ الْجِنَّةِ وَالنَّاسِ أَجْمَعِينَ
Afa-tsy ireo izay nomen’ny Tomponao famindram-po ihany. Satria izany no nohariany azy ireo. Ary tanteraka tokoa ny tenin’ny Tomponao manao hoe : “ Hamafisina, fa ho fenoiko Djiny (tsiny) sy olombelona avokoa miaraka ao anaty Afo-be ”.
120وَكُلًّا نَّقُصُّ عَلَيْكَ مِنْ أَنبَاءِ الرُّسُلِ مَا نُثَبِّتُ بِهِ فُؤَادَكَ ۚ وَجَاءَكَ فِي هَٰذِهِ الْحَقُّ وَمَوْعِظَةٌ وَذِكْرَىٰ لِلْمُؤْمِنِينَ
Ary izay rehetra notataranay Taminao mikasika ny tantaran’ireo Iraka, dia ny hanamafisanay ny fonao. Ary avy tamin’izany no nahatongavan’ny fahamarinana (Ny Kor’any) sy anatra ary fampahatsiahivana Taminao ho an’ireo mpino.
HoudFizahan-takila Koraña
123Andininy
MeccanRevelation
118Andininy

Fandikana — Houd 118

Surah Houd Andininy 118 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha sitraky ny Tomponao, dia nataony ho vahoaka iray…

Surah Andininy 118/123 — Houd هود (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Houd Henoy, Houd Fandikana, Houd mp3, Houd pdf. Andininy 116–120. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers