Al-Baqarah · 29/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
هُوَ الَّذِي خَلَقَ لَكُم مَّا فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا ثُمَّ اسْتَوَىٰ إِلَى السَّمَاءِ فَسَوَّاهُنَّ سَبْعَ سَمَاوَاتٍ ۚ وَهُوَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ ۝٢٩
Huwal lazee khalaqa lakum maa fil ardi jamee`an summas tawaaa ilas samaaa`i fasaw waahunna sab`a samaa waat; wa Huwa bikulli shai`in Aleem
📖 Dikany Malagasy
Izy ilay nahary ho anareo izay rehetra misy eto an-tany, ary avy eo dia nihazo ny lanitra ka nanao izany ho lanitra fito sosona. ary Izy dia mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 27-31 — Surah Al-Baqarah

27الَّذِينَ يَنقُضُونَ عَهْدَ اللَّهِ مِن بَعْدِ مِيثَاقِهِ وَيَقْطَعُونَ مَا أَمَرَ اللَّهُ بِهِ أَن يُوصَلَ وَيُفْسِدُونَ فِي الْأَرْضِ ۚ أُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ
Ireo izay manafoana ny fanekena amin’Allah taorian’ny fankatoavana izany, sy nanafoana izay nodidin’Allah ifamatorana, ary ireo izay manimba fiarahamonina ety ambonin’ny tany; izy ireo no tena maty antoka.
28كَيْفَ تَكْفُرُونَ بِاللَّهِ وَكُنتُمْ أَمْوَاتًا فَأَحْيَاكُمْ ۖ ثُمَّ يُمِيتُكُمْ ثُمَّ يُحْيِيكُمْ ثُمَّ إِلَيْهِ تُرْجَعُونَ
Ka dia ahoana ianareo no tsy mino an’i Tompo Allah, kanefa tsy nanana aina sy fivelomana ianareo teo taloha dia novelominy, avy eo dia mbola hataony ho faty, ary mbola hovelominy indray mandeha ihany koa, ary avy eo dia any Aminy no hiverenanareo sy hiafaranareo ?
29هُوَ الَّذِي خَلَقَ لَكُم مَّا فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا ثُمَّ اسْتَوَىٰ إِلَى السَّمَاءِ فَسَوَّاهُنَّ سَبْعَ سَمَاوَاتٍ ۚ وَهُوَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Izy ilay nahary ho anareo izay rehetra misy eto an-tany, ary avy eo dia nihazo ny lanitra ka nanao izany ho lanitra fito sosona. ary Izy dia mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra.
30وَإِذْ قَالَ رَبُّكَ لِلْمَلَائِكَةِ إِنِّي جَاعِلٌ فِي الْأَرْضِ خَلِيفَةً ۖ قَالُوا أَتَجْعَلُ فِيهَا مَن يُفْسِدُ فِيهَا وَيَسْفِكُ الدِّمَاءَ وَنَحْنُ نُسَبِّحُ بِحَمْدِكَ وَنُقَدِّسُ لَكَ ۖ قَالَ إِنِّي أَعْلَمُ مَا لَا تَعْلَمُونَ
Raha nanao fanambarana tamin’ireo Anjely ny Tomponao, dia hoy Izy hoe : “Hametraka olona mpandimby raharaha (khalifa) eny ambonin’ny tany tokoa Aho”, dia namaly Azy ireo Anjely hoe : “Sitrakao ve ny hampisy olona hanao fanimbana sy hampandriaka ny rà eny ambonin’ny tany, kanefa dia eto izahay mihoby sy midera ary manamasina Anao?”, hoy Izy namaly azy ireo hoe : “Lazaiko marina aminareo fa Izaho (Allah) dia mahay izay tsy fantatrareo”.
31وَعَلَّمَ آدَمَ الْأَسْمَاءَ كُلَّهَا ثُمَّ عَرَضَهُمْ عَلَى الْمَلَائِكَةِ فَقَالَ أَنبِئُونِي بِأَسْمَاءِ هَٰؤُلَاءِ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Nampianariny an’i Adama avokoa ireo anarana rehetra, avy eo dia nasehony ny Anjely izy ireo, ka hoy Izy nanao hoe : “Ambarao Ahy ny anaran’izy ireo, raha toa ka marina izay voalazanareo!”
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
29Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 29

Surah Al-Baqarah Andininy 29 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izy ilay nahary ho anareo izay rehetra misy eto an-tany,…

Surah Andininy 29/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 27–31. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers